Ny fahamarinana tsara alain-tahaka
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Septambra 2020
MIASA AMIN'NY FAHATAHORANA AN'ANDRIAMANITRA
3 JAONA 1-12
1 [Fisaorana an'i Gaio noho ny nandraisany vahiny, sy filazana ny amin'i Diotrefa sy Demetrio] Izaho loholona* mamangy an'i Galo, ilay malala, izay tiako amin'ny fahamarinana. [* Gr. Ny presbytera] 2 Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany. 3 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. 4 Tsy manana fifaliana mihoatra noho izao aho, dia ny andrenesako fa mandeha araka ny fahamarinana ny zanako. 5 Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin'inona na amin'inona ataonao amin'ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, 6 izay nanambara ny fitiavanao teo anatrehan'ny fiangonana*; dia ho soa no ataonao, raha mamoaka azy koa araka izay miendrika hatao noho ny amin'Andriamanitra ianao; [* Gr. eklesia] 7 fa noho ny Anarana no niangany, ka tsy naka na inona na inona tamin'ny jentilisa izy. 8 Koa isika dia tokony handray tsara izay toy izany, mba ho mpiara-miasa aminy amin'ny fahamarinana. 9 Nanoratra tamin'ny fiangonana* Ihany aho; nefa Diotrefa, izay te-ho lohany, dia tsy mba mandray anay. [* Gr. eklesia] 10 Koa amin'izany, raha tonga aho, dia hotsarovako izay asa ataony, fa mibedibedy foana manaratsy anay izy; ary tsy afa-po amin'izany ihany, fa ny tenany dia tsy mandray ireo rahalahy ireo, ary izay ta-handray azy dia raràny sy roahiny hiala amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia] 11 Ry malala, aza ny ratsy no alain-tahaka, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; fa izay manao ny ratsy tsy mba nahita an'Andriamanitra. 12 Demetrio dia tsara laza amin'ny olona rehetra sy amin'ny fahamarinana koa; ary izahay koa manambara izany, ary fantatrao fa marina ny fanambaranay.Ny fahamarinana tsara alain-tahaka
Na dia fohy aza ny taratasy fahatelo nosoratan’i Jaona dia tsy azo lazaina hoe: tsy misy lanjany akory ny hafatra ambarany . Mampiseho indrindra ny mpanorara fa tena zava-dehibe mibaiko ny fiainana andavanandro tokoa ny fahamarinana ka tsy tokony hamaivanina velively .
Manoratra ho an’ny olona atao hoe : Gaio i Jaona eto ary ambara eto fa fahamarinana no nataony . Tamin’izany fotoana izany mantsy tany amin’ny manodidina ny taonjato faharoa taorian’iJesoa Kristy dia niparitaka tokoa ny foto-pampianarana samihafa izay mandresy lahatra ny kristiana tsy hiorina amin’ny foto-pinoana kristiana .Teo anatrehan’izany , maro ireo kristiana nanolo-tena niparitaka maneran-tany mba hampianatra sy hampiorina ny kristianisma . Tsy manana na inona na inona izy ireny raha nanao izany asa fanompoana izany ka nanantena ny fanampian’olona. Nampiantrano azy ireny i Gaio ka nahafaly an’iJaona ny fihetsiny ary nisainy ho fahamarinana izay nataon’i Gaio. Zava-dehibe eto amin’ity taratasy ity ny hoe: fahamarinana fa sady mahafaly ny mpanabe izany no mitondra soa ho an’ny beazina koa. Nampianatra ny kristiana mba hiaina sy handeha ary hivelona amin’izany fahamarinana izany i Jaona eto satria hitany fa tsara indrindra izany kanefa tsy afeniny koa fa tsy ny rehetra no afaka hanana izany , satria na dia nisy olona voatonona ho nanao izany tahaka an’iGaio aza dia misy koa ny tsy miraharaha izany , tahaka an’i Diotrefa ka ilazany hoe : « aza ny ratsy no alain-tahaka fa ny tsara «
Fanontaniana :
Mbola misy ve ny tsara azo alain-tahaka ao amin’ny fiaraha-monona , ary mbola misy maka tahaka izany ihany ve ny kristiana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM