Ny fahalehibiazan’Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Janoary 2023

JEREMIA 10.6-13

JEREMIA 10.6-13
6 Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, Jehovah ô; Lehibe Hianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao. 7 Iza no tsy hatahotra Anao, ry Mpanjakan'ny firenena! Fa Hianao no iendrehan'izany, eny, amin'ny hendry rehetra amin'ny firenena sy amin'ny fanjakany rehetra dia tsy misy tahaka Anao. 8 Fa ketrina sy adala avokoa izy rehetra; He! fananaram-poana! fa tapa-kazo ihany. 9 Volafotsy voafisaka nalaina avy tany Tarsisy sy volamena avy tany Ofaza Izany, asan-tanan'ny mpiasa sy ny mpanefy volamena; Lamba manga sy volomparasy ny fitafiany; Asan'ny mahay zavatra izy rehetra. 10 Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay. Izay mampihorohoro ny tany amin'ny fahatezerany, ka tsy tantin'ny firenena ny fahavinirany 11 (Izao no holazainareo amin'ireny; Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho at? ambanin'ny lanitra ireny) 12 Dia Ilay nanao ny tany tamin'ny heriny sy nampiorina izao tontolo izao tamin'ny fahendreny ary namelatra ny lanitra tamin'ny fisainany. 13 Raha mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy, dia mampiakatra fofona avy any amin'ny faran'ny tany; Manao ny helatra ho amin'ny ranonorana Izy sady mamoaka ny rivotra avy amin'ny firaketany.

Ny fahalehibiazan’Andriamanitra

Nanjary naka tahaka sy te- hanaony fanaon’ny Jentilisa manompo sampy ny Zanak’Israely ka teo anoloan’izany dia nampitondra hafatra ho azy Andriamanitra .

1-Izy ilay tapitra ohatra

Lehibe sy mahery ny Anarany ary tononina am-panajana sy am-pinoana fa tsy natao ho tonontononim-poana. »amin’ny Anarany no handohalehan’ny lohalika rehetra« .Lehibe ny fanjakany sady maharitra mandrakizay,ary Izy irery no mendrika atahoran’ny mpanjaka sy ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany .Ny fahatahorana Azy no tena fahendrena fa izay heverin’izao tontolo izao ho fahendrena ka ireharehany fatratra dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra .Lehibe ny asany satria Izy no fiandohana sy fiafaran’ny zava-drehetra ,fa tsy mba nataon-tànana toy ny sampy samihafa.

2-Miantoka ny fiainan’izao tontolo izao

Tena mampiavaka tanteraka an’Andriamanitra Mpahary ny asany eo amin’ny voahariny .Voalaza eoamin’ny and 12-13 izany ,ary azo fintinina amin’ny hoe: Andriamanitra miahy sy mikarakara izao tontolo izao .Anisan’ny singa roa lehibe manan-danja tokoa eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ny rano sy ny rivotra ary lazain’ny Soratra Masina eto fa Andriamanitra no mitahiry ka mamoaka izany avy ao amin’ny firaketany : »Mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy …manaony helatra ho amin’ny ranonorana Izy ,sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany »

Fanontaniana:

Nahoana no mbola miala amin’Andriamanitra ihany izao tontolo izao ,na dia efa ampahafantarina azy aza Izy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM