Ny fahafahana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Jona 2023
Ry rahalahy aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin’Andriamanitra ao amin'izay niantsona azy taratasy ho an'ny Fiangonana tao Korinto ity isan'izay niteraka olana tao ny tsy fahaizana manaiky izay maha izy ny tena sy izay fandaharana misy amin'ny fiainana. Mety ho niteraka fanamboniana ny tenany izany . Izany toe-tsaina izany anefa tsy maintsy niteraka korontana kely tao amin'ny Fiangonana ka nahatonga an'i Paoly nanoratra mba handamina. Maro ny olona no mihevitra fa raha tsy amin'ny toeran'ny hafa izy dia ambany na voageja. Izany anefa no tena antsoina hoe : fahalalahana aza .
1 Korintiana 7,17 - 24
17 Kanefa aoka ny olona rehetra samy handeha araka izay anjarany nomen'ny Tompo azy sy araka ny niantsoan'Andriamanitra azy avy. Ary izany no andidiako ao amin'ny fiangonana rehetra. 18 Misy nantsoina voafora va? Aoka izy tsy hovana ho tsy voafora. Misy antsoina tsy voafora va? Aoka izy tsy hoforana. 19 Tsinontsinona ny famorana, ary tsinontsinona ny tsi-famorana; fa ny mitandrina ny didin'Andriamanitra no izy. 20 Aoka ny olona rehetra samy hitoetra eo amin'izay toetra efa niantsoana azy ihany. 21 Nantsoina va ianao raha mbola mpanompo? Aoka tsy hampaninona anao izany; nefa raha misy hahafahanao, aleo izany*. [* Na: fa na dia misy hahafahanao, dia aleo manompo ihany] 22 Fa ny andevo izay voantso ao amin'ny Tompo dia olona afaka an'ny Tompo; toy izany koa, ny olona afaka izay voantso dia mpanompon'i Kristy. 23 Fa olom-boavidy ianareo, ka aza mety ho andevon'olona. 24 Ry rahalahy, aoka ny olona rehetra samy hitoetra amin'Andriamanitra ao amin'izay niantsoana azy avy.Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM