Ny didy sy fitsipika nomen’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Febroary 2020
MAHATOKY NY TENY VAVOLOMBELON’NY TOMPO
DEOTERONOMIA 4.1-8
1 [Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto mitandrina ny lalàna] Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo. 2 Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo. 3 Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao. 4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao. 5 Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana. 6 Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io 7 Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy? 8 Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?Ny didy sy fitsipika nomen’ Andriamanitra
Miantso ny
olona hihaino sy hankao ny didy sy fitsipika avy amin’Andriamanitra I Mosesy .Tsy nomena azy
ireo fotsiny izany didy sy
fitsipika izany ka efa nampianarina ka tokony hifanaraka amin’izany ny fiainany
. Antoka handraisana ny fiainana , ny fahavelomana ny fihainoana sy
fankatoavana izany didy fitsipika izany
.Efa hitan’ny Zanak’ Israely ny toe-javatra nihatra tamin’ireo sokajin’olona
tsy hankato an’Andriamanitra
.Fahafatesana , fandringanana no anjarany.Tian’Andriamanitra handray ny tena fitiavana avy Aminy ny olona ka tarihany hankato Azy
mandrakariva.
2-Manavaka
ny olony amin’ny hafa
Manana
fifandraisana manokana amin’Andriamanitra ny zanak’Israely noho izy ireo manana sy nampianarina ny didy sy fitsipika
avy amin’ Andriamanitra : olona tena akaikin’Andriamanitra , afaka miankina
Aminy amin’ny fotoana rehetra.Tonga manana sy miaina amin’ny toetra manokana
mampiavaka azy ireo amin’ny hafa : ”olona Hendry sy manan-tsaina” .Tsarovy
fa rehefa miaina sy mivelona marina amin’ny Tenin’ Andriamanitra isika dia
manana toetra miavaka mampitsirirritra izao tontolo izao .Miana amin’ny
fahendrena sy ny fahatahorana Azy . Ho gaga ny manodidina antsika.Te-hanavaka
anao amin’ny olona rehetra
Andriamanitra.Nomeny ny teniny
ianao . Diniho sy ankatoavy izany.
Fanontaniana:
Lazao
ny tombotsoa azonao amin’ny
fihainoana sy fakatoavana ny Tenin’Andriamanitra ?
Sampana
Sekoly Alahady FOIBE FJKM