Ny didy folo

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Febroary 2024

Eksodosy 20. 1-17

Eksodosy 20. 1-17
1 [Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: 2 Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. 3 Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay et? amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; 6 nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. 7 Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. 8 Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasi­na azy. 9 Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. 10 Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. 11 Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. 12 Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. 13 Aza mamono olona. 14 Aza mijangajanga. 15 Aza mangalatra. 16 Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. 17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.

Ny didy folo

Nomena ny zanak’Israely ny didy folo mba ahatonga azy ireo hitoetra hatrany amin’ny fanafahan’Andriamanitra.

1- Fanekena ataon’Andriamanitra

Ampahatsiahivina eto amin’ny and.2 ny toerana nisy ny zanak’i Israely: andevo tany amin’ny tany Egypta. Niditra an-tsehatra Andriamanitra nanafaka, namonjy tamin’ny fampahorian’ny Egyptiana. Tsy afaka misaraka amin’llay Andriamanitra Mpanafaka ny fiainany. Ny didy folo nomen’Andriamanitra eto no hahafahan’ny olona mitoetra amin’izany fanafahana izany. Raha miala amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ny olona día lasa andevon’ny fahotana indray. Izay mitandrina ny didy nomen’Andriamanitra no manamafy ny fifandraisana Aminy ka azo antoka fa tsy resin’ny fahavalo intsony.

2- Fitiavana

Ny didy folo nomen’Andriamanitra dia mitarika ny olona tena ho tia an’Andriamanitra, hanompo an’Andriamanitra eo amin’ny fiainana manontolo. Mifamatotra amin’izany koa anefa fa ny fitiavana an’Andriamanitra dia aseho amin’ny fitiavana ny namana. Asehon’ny olona amin’ny fifandraisana amin’ny namana, ny fitiavana ny mpiara-belona aminy fa tia an’Andriamanitra izy. manaja an’Andriamanitra izy. Mafy orina ny fifandraisan’ny olona amin’Andriamanitra rehefa mirindra tsara koa ny fifandraisana amin’ny hafa. Tarihina araka izany isika mpino Kristiana fa ny didy folo dia mampianatra antsika ho tia an’Andriamanitra sady ho tia ny namantsika.

Fanontaniana:

Ahoana no fomba iainanao ny didy folo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe