Ny dian’i Jesoa miakatra ho any Jerosalema

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Jona 2025

(Sal 145. 1-7 / Hira 140: 3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira FF 33: 1)

Lioka 19.29-36
29 Ary raha nanakaiky an'i Betifaga sy Betania teo an-tendrombohitra atao hoe Oliva Izy, dia naniraka roa lahy tamin'ny mpianatra 30 ka nanao hoe: Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan'olona; vahao izy, ka ento er? . 31 Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 32 Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy. 33 Ary raha namaha ny zana-boriky izy, dia hoy ny tompony taminy: Nahoana no vahanareo ny zana-boriky? 34 Ary hoy izy: Misy raharaha analan'ny Tompo azy. 35 Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy ary nametraka ny lambany teo ambonin'ny zana-boriky, ka nampitaingeniny azy Jesosy. 36 Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy lreo.

Ny dian’i Jesoa miakatra ho any Jerosalema

<< Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra ao ianareo, dia hisy zana-boriky mifatotra ho hitanareo, izay tsy mbola nitaingenan’olona… » hoy ny tantara eto. Tsy voalaza eo mihitsy hoe tazan’i Jesoa avy lavitra ilay zana-boriky na hoe efa tao izy ka fantany fa misy zana-boriky ao; fa ny dikany dia hoe mahita sy mahalala ny zavatra rehetra i Jesoa; maneho ny maha Andriamanitra velona Azy izany! Matokia fa hita sy fantatr’i Jesoa daholo izay mahaory antsika, kanefa matahora koa fa tsy miafina aminy raha mitady hanao ratsy!

<< Ary nony nandeha ireo nirahina, dia nahita araka izay nolazainy taminy ». Raha zohina ny tantara eto, dia tsy misy mipika izay nolazain’i Jesoa fa amin’ny antsipiriany dia indro tokoa fa nisy sy nitranga. Midika izany, fa tena azo antoka Jesoa, tsy mpitsatotsatoka akory Izy na mpanadrankandrana tahaka ireo mpisandoka ny fahefan’Andriamanitra ka mamitaka ny olona! Ary tsy ho diso fanantenana izay mino Azy sy matoky ny Teniny!

<< Ary raha nandeha Jesosy, dia namelatra ny lambany teny an-dalana izy Ireo ». Io famelarana ny lamba handalovan’i Jesoa io dia fomba fanao amin’ny fitsenana ny mpanjaka na ny mahery fo; izay entin’ny Soratra Masina maneho ny maha mpanjaka an’i Jesoa. Raha mpanjaka dia mpanapaka ary eken-teny, ary izay rehetra ao amin’ny fanjakany dia manao ny sitrapony, ka moa tena manao ny sitrapon’i Jesoa tokoa ve ianao? Sa iza marina no tena mpanjakanao?

Ahoana no iainanno ny maha mpanjaka ani Jesoa?