Ny baikon’i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Febroary 2020
LIOKA 5.1-7
LIOKA 5.1-7
1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin'Andriamanitra, dia nijanona teo amoron'ny Farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin'ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony. 3 Ary niditra teo amin'ny sambokely anankiray izay an'i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin'ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka. 4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin'i Simona: Mandrosoa ho any amin'ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano. 5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato. 6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony. 7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin'ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.Ny baikon’i Jesoa Kristy
1-Ankatoavina amin’ny finoana (and5)
Rehefa tapitra ny fampianarana nataon’ i Jesoa dia nitodika tamin’i Simona Izy ka nanome baiko azy mba handatsaka ny haratony mba hahazoana hazandrano. Nisalasala i Simona satria ny alina izay fotoana maha-betsaka ny trondro aza tsy nahazo, mainka fa ny andro .Izany no nampisalasala an’i Simona satria ny maha- olona azy no tao an-tsainy . Soa ihany fa tsaroany ny nitenenan’i Jesoa , ka hoy izy hoe : « noho ny teninao » . Raiso amin’ny fatokiana sy fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy , izay miantefa aminao . Aza mijery izay mety fahaizanao , aza misaina ny zava-misy akory fa raiso amin’ny finoana ny tenin’i Jesoa dia ho hitanao ny herin’izany amin’ny fiainanao
2-Ankatoavina hahazoana vokatra (and6)
Rehefa nanatanteraka ny baikon’i Jesoa Kristy i Simona dia nahazo hazandrano mihoatra noho izay zakan’ny haratony , ary voalaza mihitsy aza fa « nisy triatra ny haratony ». Vokatry ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy dia nahazo vokatra tsara i Simona , eny mihoatra noho izay heveriny ho azo aza. Rehefa tsy miantehatra amin’ny herin’ny tenany intsony ny olona , fa miankina amin’ ny fankatoavana ny tenin’i Jesoa Kristy dia hahazo vokatra tsara eo amin’ny asa ataony izany olona izany .Tsinotsinona ny fahaizan’ny olona tsy misy finoana ny tenin’i Jesoa Kristy , mampahavokatra ny asan’ny olona izay mankato ny teniny .
Fanontaniana:
Inona no efa azonao vokatry ny fankatoavana ny tenin’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM