Ny atao mandra-piavin’ny  Tompo :

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Novambra 2022
Marka 13,28 - 37
28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity] 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory] 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetra

Ny atao mandra-piavin’ny  Tompo :

1.Mailo (and.28)

Asain’I Jesoa mailo tsara eto ireo mpianany satria tampoka ny fahatongavany  eny amin’ny rahon’ny lanitra.Nisy ireo fambara mialoha izay efa nolazainy: ny adin’ny firenena sy fanjakana …efa miseho amin’izao andro izao avokoa ireo.Noho izany  efa akaiky tokoa  io andro io nefa ilay daty marina tsy misy mahalala.Ny  fahendrena izany dia ny fahamailona mba hovonona amin’ny fotoana rehetra.Avia Jesoa Tompo.!

2.Matoky ny Teniny (and.31)

Azo antoka mihitsy aloha fa raha tonga izany fotoana izany,dia loza mahatsiravina no hiseho,tsy hay visavisaina,na isika aza dia ho tojo izany , saingy ny manome fanantenana ho antsika fa na tra-doza aza ny olon’izao tontolo izao ,dia isika kosa avahana satria ao ny Tenin’I Jesoa hoe: ”Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona”; izany hoe: izay zavatra hita amin’izany fotoana izany handalo avokoa satria ho levona,fa ny Teniny kosa hitoetra mandrakizay.Mitoetra ho marina mandrakizay.Ny tokony hataontsika izany dia tsy matahotra fa matoky ny Teniny fa marina mandrakizay izany.

3.Miambina (and.33)

Ny atao hoe miambina dia tsy matory,tahaka ireo natao hiambina amin’ny alina: tsy mahazo rendremana akory aza.Dia toy izany isika,taomina  tsy hatory fa miezaka ny hahatsiaro saina mandrakariva.Ny torimaso ara-panahy dia  ny fahotana,ary ny  fomba handresena ny fahotana dia ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka.Samia ary  mivavaka sy mirakitra ny Tenin’Andriamanitra.!

Fanontaniana:

Inona amin’ireo no efa tratranao eo am-piandrasana ny Tompontsika hiverina ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM