Ny atao hoe finoana àry dia :
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Jolay 2021
Hebreo 11. 8 - 10
Hebreo 11. 8 - 10
8 Finoana no naneken'i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin'izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany. 9 Finoana no nivahiniany tany amin'ny tany nolazain'ny teny fikasana, toy ny any an-tanin'olona, mitoetra an-day, mbamin'isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy; 10 fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.Ny atao hoe finoana àry dia :
1- Fahatokiana anjambany ny Tenin’Andriamanitra (and 8)
Ambaran’ny epistily eto fa rehefa nantsoin’Andriamanitra i Abrama dia nandeha izy « nefa tsy fantany izay alehany« . Ny antony nandehanany dia ny fandrenesana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fatokiana izany Tenin’Andriamanitra izany ary dia tsy nampaninona azy ny nahafoy ny zava-drehetra. Ianao koa rehefa nandre ny Tenin’Andriamanitra, nitoriana ,nanazavana sy nampianarina dia itokio izany . Ankatoavy tsy misy fisalasalana , ekeo tsy misy adihevitra na fepetra fa izany no atao hoe : »finoana », tsy miandry fahitana akory, fa rehefa mandre ny sofina dia mino ary izany tokoa no nampianarin’i Jesoa : » sambatra izay tsy nahita nefa mino » (Jao 20.29) . Itokio fotsiny izao àry ny Tenin’Andriamanitra
2-Fanantenana ny fahatanterahan’ny Tenin’Andriamanitra
Lazain’ny Epistily eto hoe : « nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana » i Abrama. Azo takarina avy amin’izany fa ilay fatokiana tao aminy voambara teo aloha dia miteraka fanantenana ary izany indrindra no fanoitra nandrisika azy , ka tsy nampiahotra an’i Abrahama na dia kely akory aza , ho amin’ny tany izay nolazain’ny teny fikasana . Mafy orina io fanantenany io ary fantatr’i Abrahama fa io « Teny fikasana » na « teny fampanantenana » io dia tsy maintsy tanterahan’Andriamanitra . Tsy mandainga Andriamanitra , tsy mivadibadika tahaka ny olombelona ka hampanantena poakaty . Hoy i Jesoa hoe : : « ny Teniko tsy mba ho levona »(Mar 13.31) . Ny dikan’izany dia hoe : tsy miova , tsy maintsy tanteraka ary azo antenaina.
Fanontaniana:
Firy izay ny Tenin’Andriamanitra renao? Firy ny fampanantenana nomen’Andriamanitra anao ? Firy tamin’ireny no ninoanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM