Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino
Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Mey 2021
1 KORINTIANA 12.12-13
1 KORINTIANA 12.12-13
12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa*, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. [* Gr. Grika]Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino
1-Fifamenoana
Hoy ny and 12 : « Fa tahaka ny tena iray ihany , anefa maro no momba ny tena …dia tena iray ihany dia tahaka izany koa Kristy « . Asehon’i Paoly Apostoly amin’ny fandinihana ny tenan’olombelona ny maha-izy azy ny fiangonana . Taova maro samihafa no mandrafitra ny vatan’ny olombelona, samy manana ny maha-izy azy ireo taova , kanefa tsy afa-misaraka, mifampiankina , mifameno ny asany mba hampirindra tsara ny fiainan’ilay olona . Tahaka izany koa ny mpino ao amin’ny Fiangonana , olona samy manana ny maha-izy azy , samy manana ny fanomezam-pahasoavana noho ny asan’ny Fanahy Masina , kanefa mba hampandrosoana ny Fiangonana dia tsy afa-misaraka fa mifameno hatrany .
2-Fiombonana
Hoy ny and 13 » Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray , na Jiosy na Jentilisa , na andevo na tsy andevo … » . Noho ny asan’ny Fanahy Masina dia tonga tena iray ihany ny Fiangonana na dia maro aza . Tena iray maneho ny fiombonana izany . Fanahy Masina iray ihany no mitoetra sy miasa ao anatin’ny mpino ao amin’ny Fiangonana . Noho izany , tsy misy fizarazarana na fitsitokotokoana na fahasamihafana , fa na iza na iza , ary na avy aiza na avy aiza toerana niaviana , rehefa manaiky iasan’ny Fanahy Masina dia tonga tena iray , vatana iray , miombona ho Fiangonana handova ny fiainana ao amin’Andriamanitra .
Fanontaniana :
Mbola ahitana fisarahana ve ao am-piangonana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM