Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 22 Mey 2021

ROMANA 8.12-17

ROMANA 8.12-17
12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

1-Mamono ny toetra ratsy

Mamatotra mandrakariva ny olona ny asan’ny nofo. Manosika handeha amin’izay tsy ankasitrahan’Andriamanitra Rehefa manome anjara toerana ny Fanahy masina eo amin’ny fiainany kosa anefa ny olona dia ho resy tosika izany asan’ny nofo izany . Tonga manana fiainana vaovao satria miaina sy mivelona amin’ny Tenin’Andriamanitra . meteza hotarihan’ny Fanahy Masina .

2-Mahatonga ho zanak’Andriamanitra

Rehefa manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona dia miova tanteraka ny maha- izy azy . Miavaka ny fomba fiainany : tia sy mankato ny Tenin’Andriamanitra , mandeha amin’izay ankasitrahan’Andriamanitra . Noho izany , ny Fanahy Masina mihitsy no milaza , manome toky ny fiainany fa tonga zanak’Andriamanitra izy (and16).

3-Mamelona fanantenana

Manana fiainana manokana , lova miavaka omeny ny zanany mahatoky Andriamanitra . Ny Fanahy Masina mihitsy no milaza sy manambara izany ao amin’ny mpino manana Azy fa mpandova an’Andriamanitra sady mpiray lova amin’i Jesoa Kristy ny olona manaiky hiaina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina (and 17) . Miaina amin’ny fiainana nolalovan’i Kristy teto an-tany , nefa mpandova ny fiainana ao amin’ny fanjakany. Meteza hotarihan’ny Fanahy Masina dia ho azo antoka ny lova nampanantenain’Andriamanitra ho anao .

Fanontaniana:

Inona no dingana tokony hatao mba hahatongavana ho zanak’Andriamanitra marina?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM