Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 20 Mey 2024

Romana 8. 26-30

Romana 8. 26-30
26 Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina. 27 Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina. 28 Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. 29 satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy. 30 Ary izay notendreny no nantsoiny koa; ary izay nantsoiny no nohamarininy koa; ary izay nohamarininy no nomeny voninahitra koa.

Ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny mpino

Miasa manan-kery ao anatin’ny mpino ny Fanahy Masina, dia ny mpino izay nandray ny fanavotan’i Jesoa Kristy kanefa mbola miaina eto amin’ity tany feno zava-manahirana ity:

1-Manampy

Hoy ny and.26a: «Ary toa izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika.» Olombelona isika, natsangan’ Andriamanitra ho zanany kanefa mbola anatin’ny nofo mora miova sy malemy, tsy manana faharetana. Nomena antsika noho izany ny Fanahy Masina mba ho hery ho antsika eo amin’ny fiainana. Tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika amin’ Andriamanitra ny amin’izay mahasoa. antsika, sady tsy manana faharetana isika. Ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika no hery ahafahana maharitra sy mivavaka araka ny sitrapony sy izay mahasoa antsika.

2- Mifona

Hoy ny and.26b: «Fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina». Miasa amin’ny fomba tsy takatry ny saintsika ny Fanahy Masina monina ao anatintsika mpino. Mifandray sy mifampiresaka amin’ny fanahintsika Izy ka manambara ny maha zanak’Andriamanitra antsika (and. 16); mahalala ny fisainantsika sy ny momba antsika. Araka izany dia mahita ny fahalementsika ny Fanahy Masina ka mangataka ho antsika, mifona ho antsika manoloana ny olana atrehintsika izay mety tsy hahafahantsika mivavaka marina. Hery ho antsika amin’ny fifandraisana sy ny fivavahana amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina. Aoka hangataka mandrakariva isika mba hanana ny fahafenoan’ny Fanahy Masina.

Fanontaniana:

Tsapanao ve ny asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe