Ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny olom-boahosotra:

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Mey 2025

(Sal 97.1-6 / Hira194.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 487.1-2)

2 Samoela 23, 1-7
1 [Ny fara-teny nataon'i Davida] Ary izao no fara-teny nataon'i Davida: hoy Davida, zanak'i Jese, dia ny lehilahy izay voasandratra ho ambony, Ilay voahosotry* ny Andriamanitr'i Jakoba sady mpanao fihirana mahafinaritra amin'ny Isiraely:[Na: Izay nampanantenaina ny amin'ny voahosotry, etc] 2 Ny Fanahin'i Jehovah no mampiteny ahy, ary ny teniny no eo amin'ny lelako; 3 Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin'ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra; 4 Ary izany dia toy ny fahazavan'ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin'ny tany noho ny hain'andro manarakaraka ny ranonorana. 5 Ary tsy toy izany indrindra amin'Andriamanitra va ny taranako? Fa fanekena mandrakizay no nataony tamiko, Voalamina amin'ny zavatra rehetra sady voatandrina; Fa ny famonjena ahy rehetra sy ny iriko rehetra, moa tsy hampitsimohiny va? 6 Fa ny tena ratsy fanahy rehetra kosa dia tahaka ny tsilo ariana, Fa tsy azo raisin'ny tanana izy; 7 Ary ny olona izay mikasika azy Dia tsy maintsy mitondra vy sy zaran-defona*; Ary hodorana amin'ny afo avokoa amin'izay itoerany ireny.[Heb. feno vy sy zaran-defona]

Ny asan’ny Fanahy Masina amin’ny olom-boahosotra:

1- Mametraka ny teny ao am-bavany

Resy lahatra mihitsy i Davida eto fa ny Fanahin’ Andriamanitra no mampiteny azy sy mametraka izay holazainy ao amin’ny lelany. Ary isan’izany ny talenta ahafahany midera sy manome voninahitra an’Andriamanitra. Amin’izany no ampiteneniny fanantenana feno ho azy amin’ny alalan’ny fanapahana, amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra. Isika koa raha tena mitoetra ho olon’Andriamanitra tokoa dia ny Fanahy Masina no hampitoetra ny teny ao am-bavantsika amin’ny fotoana ilantsika izany, araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: « aza manahy ny amin’izay fomba hitenenanareo…, fa homena anareo amin’izany ora izany izay holazainareo » (Matio 5, 19)

2- Manazava ny fiainany

Ny Fanahy Masina ihany koa dia atao hoe Fanahy mpanazava satria manazava ny fianan’ny olom-boahosotra toa an’i Davida araka ny nilazany azy hoe: « ary izany dia toy ny fahazavan’ny maraina, raha miposaka ny masoandro. Dia ilay maraina tsy misy rahona iny » (and.4). Izany hoe: tsy hisy zavatra hanakontakona ny famirapiratan’ny tavan’Andriamanitra mihitsy eo amin’ny fiainany, satria manao fanekena aminy Andriamanitra amin’ny fampidinana ny Fanahiny. Mandamina ny fianany Andriamanitra, ary efa mampitsimoka ny famonjena azy sy ny taranany. Toy izany no fahasoavana omen’Andriamnitra ny mpanompony amin’ny alalan’ny fiasan’ny Fanahy Masina. I Jesoa rahateo dia ambarafa fahazavan’izao tontolo izao.

Fanontaniana:

Inona no asan’ny Fanahy Masina ao aminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe