Ny asan’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 18 Mey 2025
Sal 34, 1-9/ Hira189,1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 449.1-2
1 Korintiana 12,1 - 11
1 [Ny amin'ny fanomezam-pahasoavana samy hafa] Ary ny amin'ny zava-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ho fantatrareo. 2 Fantatrareo fa fony jentilisa ianareo, dia nentina tany amin'ny sampy moana araka izay nitaomana anareo. 3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka manao hoe: Voaozona* Jesosy; ary tsy misy mahay manaiky hoe: Jesosy no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. [* Gr. anatema] 4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana* ny Fanahy hahasoa. [* Na: fisehoan'] 8 Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery] 11 Ireo rehetra ireo dia asan'ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony.Ny asan’ny Fanahy Masina
Ambaran’i Paoly fa misy akony eo amin’ny finoana sy ny fianana andavanandro tokoa ny asan’ny Fanahy Masina:
1- Mampanaiky ny olona fa i Jesoa no Tompo.
Milaza mahitsy i Paoly manoloana ireo adihevitra ny amin’ireo fampianarana sy faharesen-dahatra maro samihafa, fa tsy misy olona afaka manaiky fa i Jesoa no Tompo raha tsy ny Fanahy Masina no miasa ao anatiny. Marina tokoa izany raha mijery ny fivavahana silamo izay tsy manaiky an’i Jesoa ho Tompo isika, ary koa mandinika ireny fivavahan-drazana sy fivavahana amin’andrimani-tsy izy ireny. Tsy misy asan’ny Fanahy Masina ao aminy. Mila mitandrina ihany koa anefa satria amin’izao fotoana sarotra sy farany izao dia maró ny mpamitaka izany milaza fa mino an’i Jesoa ho Kristy kanefa antikristy.
2- Mizara fanomezam-pahasoavana ho an’ny olona.
Mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra amin’ny maha Mpahary izao tontolo izao Azy. Zarainy ho an’ny olona rehetra ihany koa izany fahaizana zavatra izany ka miseho amin’ny endrika fanomezam-pahasoavana. Ambaran’i Paoly manolona ireo fanomezam-pahasoavana maro samihafa ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny Fiangonana fa Fanahy iray ihany no nihavian’izy ireny dia ny fanahin’Andriamanitra. Noho izany dia tsy tokony hampifanditra na hisy ambony sy ambany fa natao hifameno sy hifampandrosoana. Aoka ary tsy hisy hanao tsinontsinonam fanomezam-pahasoavan’ny hafa.
Fanontaniana:
Inona no fanomezam-pahasoavana nomen’ny Tompo anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe