Ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Mey 2025
(Sal 103, 1-5 / Hira 94.1-2 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 89, 1-2)
Romana 8. 9-17
9 Fa ianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy. 10 Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] 11 Ary raha ny Fanahin'izay nanangana an'i Jesosy tamin'ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an'i Kristy Jesosy tamin'ny maty no hamelona ny tenanareo mety maty amin'ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo. 12 Ary amin'izany, ry rahalahy, dia mpitrosa isika - tsy amin'ny nofo anefa, ka ho velona araka ny nofo. 13 Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena dia ho velona ianareo. 14 Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. 15 Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô. 16 Ny Fanahy dia miara-milaza amin'ny fanahintsika fa zanak'Andriamanitra isika. 17 Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an'Andriamanitra no mpiray lova amin'i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.Ny asan’ny Fanahin’Andriamanitra
Asehon’i Paoly miharihary ny fahasamihafan’ny olona mandeha araka ny Fanahy sy ny mandeha araka ny nofo. Ny Fanahin’Andriamanitra dia:
1. Manome fahavelomana ho an’izay itoerany
Ny olona itoeran’ny Fanahin’i Kristy izay Andriamanitra ihany koa dia mandeha araka ny Fanahy, satria io no mamelona azy. Ambarany fa raha ny fanahin’Izay nanangana an’i Kristy tamin’ny maty no mitoetra ao anatin’ny olona dia Izay nanangana an’i Jesoa tamin’ny maty no hamelona ny tena mety maty amin’ny Fanahiny. Andriamanitra io mpanangana sy mpamelona mampiasa ny Fanahiny lazaina eto io. Ny fandehanana araka ny Fanahy no manome fahavelomana, satria manafaka ny olona amin’ny fahafatesana vokatry ny fahotana. Andeha ary isika handeha araka ny Fanahy, dia hanohitra ny asan’ny nofo ka ho velona tokoa.
2- Manangana ny olona ho zanak’Andriamanitra
Ny olona iasan’ny Fanahy Masina izay antsoina hoe Fanahin’Andriamanitra ihany koa ihany no afaka manolo-tena ho zanahan’Andriamanitra. Hoy ny and. 16 hoe « …ny fanahy miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika ». Eo koa ny and.14 manao hoe: « Fa izay tarihin’ny fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra ». Izany hoe: izay manaiky handeha araka ny Fanahy, na iasan’ny Fanahin’ Andrimanitra irery ihany no azo antsoina hoe zanak’ Andriamanitra. Raha milaza ho zanany tokoa àry isika dia aaoka hanaiky hiasan’ny fanahin’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Tena resy lahatra tokoa ve ianao fa tena zanak » Andriamanitra? Hazavao ny hevitrao.
Sampana Sekoly Alahady Foibe