Ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 22 Mey 2023

SALAMO 143.7-12

SALAMO 143.7-12
7 Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho. 8 Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko. 9 Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko. 10 Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina. 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana. 12 Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.

Ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

1-Manoro izay làlan-kombana

Mahatsiaro tena ho reraka tanteraka sy very hevitra ny mpanao salamo eto , noho ny afitsoky ny fahavalony . Indro izy mitodika amin’Andriamanitra , mila vonjy Aminy .Ary ao anatin’izany fiantorahany amin’Andriamanitra izany dia ambarany mazava fa : raha ny làlana izorany vokatry ny fampahoriana atao aminy dia mizotra ho any am-pasana ,mankamin’ny fahafatesana ,saingy ao amin’Andriamanitra kosa no anantenana fitsanganan’ny fanahy noho ny famindrampony .Tsy mihambahamba araka izany izy eto ,fa mangataka am-patokiana ny mba hampahalalan’Andriamanitra azy izay làlana tokony alehany . Manolona ny hasarotry ny fiainana sy ny fahasahiranana mianjady amintsika ihany koa dia tsarovy fa manoro làlana antsika ny Fanahy Masina , ka i Jesoa Kristy izany làlana izany izay mitondra ho amin’ny tena fiainana (Jao 14..6)

2-Mitari-dàlana ho amin’ny tena fiainana

Endrika tonombavaka eto no anambaran’ny mpanao salamo hoe : « Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin’izay tany marina  » .Ary ny tena fiainana ambaran’ny Soratra Masina eto dia ny fanjakan’ny fahamarinanana eo amin’ny tany marina ,fanafahana amin’ny fahoriana ka tsy hisy intsony izay mpampahory .Samy mba maniry fiaainana toy izany ihany isika eto anivon’ izao tontolo izao , saingy raha tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona dia tsy hahita ny làlana hahatongavana ho amin’izany fiainana tonga lafatra izany na oviana na oviana . Koa ho anao izay efa notarihan ‘Andriamanitra , ndeha mba hitarika ny hafa kosa indray .

Fanontaniana :

Tsapanao ve fa miasa eo amin’ny fiainanao tokoa ny Fanahy Masina ? Aiza ho aizan’ny tena fiainana ianao izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM