Ny asan’ Andriamanitra dia:
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Janoary 2020
JOBA 37.14-24
JOBA 37.14-24
14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra. 15 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany] 16 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana? 17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo, 18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? 19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, 20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina] 21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. 22 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena] 23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly] 24 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]Ny asan’ Andriamanitra dia:
1-Maneho ny fahalehibiazan’Andriamanitra
Anankiray tanjon’i Eliho ny hitarika an’i Joba handinika tsara ny asan’Andriamanitra , hanakatra izany ary handanjalanja koa, fa ny fandinihana ireo asany ireo no hahazoana mahatakatra ny fahalehibiazany sy ny heriny .Amin’ny fahoriana mihatra dia banjino ny ny asan’Andriamanitra fa aza manampi-maso tsy hahita afa-tsy ny fahoriana .
2-Maneho ny fahatsaran’ Andriamanitra
Ny fahatsaran’ Andriamanitra raha tarafina eto amin’ny perikopantsika dia hita fa tsy amin’ny olombelona ihany izany fa amin’ny zava-boahary manontolo . Eliho dia mitaona an’i Joba hibanjina ireny , fa amin’ny fibanjinana ireny indrindra no hahazoana mahatakatra fa miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra.
3-Maneho fa manana ny fisainany lalina tsy takantsika Izy
Ao anatin’ireo fanontaniana apetrak’i Eliho amin’i Joba no hahatakarana fa misy ny asan’ Andriamanitra hitantsika maso fa maro koa ny tsy takatry ny saintsika akory « ny mampihevaheva ny rahona« , ohatra :tsapa amin’izany fa eo anatrehan’Andriamanitra dia tsy toy inona akory ny fisainan’ny olombelona , bitika isika , ary tokony hanaiky fa Andriamanitra irery no Tompon’ny hery sy ny fandaharana.
Fanontaniana:
Raha mandinika ny asa mahagaga ataon’ Andriamanitra isika , inona no tsapantsika?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM