Ny  asan’ Andriamanira eo  amin’ny Fiangonana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Jona 2020

MIHAVANA  AMIN’NY  TOMPO

1 TESALONIANA 3.9-13
9 Fa manao ahoana no saotra azonay havaly an'Andriamanitra ny aminareo noho ny fifaliana rehetra izay ifalianay noho ny aminareo eo anatrehan'Andriamanitray, 10 amin'ny fangatahanay fatratra andro aman'alina hahita ny tavanareo sy hahatanteraka ny tsy ampy amin'ny finoanareo? 11 Ary Andriamanitra Raintsika anie sy Jesosy Tompontsika hanitsy ny lalanay ho at? 12 Ary ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo amin'ny fifankatiavana sy ny fitiavana ny olona rehetra, dia tahaka anay aminareo koa, 13 mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fihavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masiny rehetra.

Ny  asan’ Andriamanira eo  amin’ny Fiangonana

Ny  Fiangonana tao Tesalonika no  anisan’ny Fiangonana nahazo  sitraka  manokana  tamin’i Paoly  Apostoly   raha jerena ny asa sorany.Amin’i Paoly  , niasa ao  tamin’io  fiangonana io  ny Tompo  ka :

1-Nampitombo  sy nampandroso  ny fitiavana (and12)

Asan’ Andriamanitra araka izao fampianarana izao ny mampitombo ny fitiavana . Avy amin’Andriamanitra mantsy ny fitiavana. Izy no afaka mampitombo  izany ao  amin’ny olona . Izay manana  fitiavana sy manome fitiavana no afaka mampitombo  ny fitiavana. Hita  avy amin’izao  fampianaran’I Paoly  izao   fa rehefa ampitomboin’Andriamanitra ny fitiavana dia mandroso ny   fitiavana  an’  Andriamanitra sy ny hafa . Rehefa mitombo  sy mandroso  ny fitiavana ao  amin’ny olona vao hahatratra ny olona rehetra  izany  fitiavana izany  . Navelan’ Andriamanitra nitombo  tao Aminy  ny fitiavan’Andriamanitra ka nahatonga Azy  nandroso  be tamin’ny  fitiavana ny olona rehetra .

2-Nanampy  ny mino  tsy hanan-tsiny  (and13)

Rehefa  mifankatia tokoa ny olona rehetra ka mihavana tsara mba tsy hanan-tsiny  eo anatrehan’Andriamanitra .Io fanampian’Andriamanitra  ny mino  io  dia toy  ny  hery  manentana azy  hahajoroany tsara  ho  vavolombelon’I Jesoa Kristy  amin’ny fitiavana.Rehefa samy  mitombo  ao  amin’ny olona ny fitiavan’Andriamanitra dia hahay  mifankatia izy, ary rehefa mifankatia tsara  izy  dia voatahiry ny fahamasinana.Noho  io fanampian’Andriamanitra io koa dia maharitra mandra-piavin’I Jesoa  ny fifankatiavana. Meteza  omen’ Andriamanitra fitiavana mba haharetan’ny fahamasinana.

Fanontaniana:

Mbola tena miasa eo  amin’ny Fiangonana  ve Andriamanitra ankehitriny  ? Asa toy  ny ahoana no ataony ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM