Ny antson’Andriamanitra:
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 21 Jolay 2025
(Sal 106.1-5 / Hira 480 / Vavaka / Mofonaina / Vakaka / Hira 446)
Eksodosy 3. 1-10
1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman'osin'i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman'osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra. 2 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin'ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. 3 Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan'ny roimemy. 4 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan'ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. 5 Ary hoy Izy: Aza manakaiky et?; esory ny kapanao amin'ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. 6 Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an'Andriamanitra izy. 7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; 8 dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 9 Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby at? amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy. 10 Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta.Ny antson’Andriamanitra:
1- Anehoany ny maha Izy Azy.
Naneho ny maha Izy Azy Andriamanitra tao Horeba (na Sinay); tamin’ny alalan’ny roimemy mirehitra afo, nefa tsy nahalevonana. Tamin’izany no nahazo antso manokana i Mosesy. Tsy tao amin’ny Testamenta Taloha ihany no nanehoan’Andriamanitra ny maha Izy Azy, fa ao amin’ny Testamenta Vaovao koa, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo. Niseho tamin’ny alalan’ny Anjely Izy tamin’ny mpiandry ondry (Lio 2.9). Isika koa dia anehoan’ Andriamanitra ny maha Izy Azy amin’ny atao. Izany no anarahantsika ny Teniny, ny baikony. Aoka isika hanaiky ny antsony satria efa zava-mahagaga Izy.
2- Ankatoavy ny antsony
Raha ny voalazan’ny Soratra Masina eto dia tao anatin’ny afo Andriamanitra no niantso an’i Mosesy. Mazava tsara ilay antso. tamin’ny namerimberenana ny anaran’ilay nantsoina. Namaly Mosesy ka nanao hoe « Inty aho ». Nambaran’Andriamanitra fa Izy no Andriamanitr’i Abrahama, Isaka, Jakoba (and.5-6) mba haneken’i Mosesy hankatoavany ny Teniny.
3- Maneke ho irany.
Fantatr’Andriamanitra ny fahorian’ny olony, ary azo lazaina fa mihatra aman’aina mihitsy ny fampijaliana afitsoky ny Egyptiana (and 3.7). I Mosesy no antsoina hitondra azy hivoaka avy any Egypta mba hizorany ho any amin’ny tany Kanana izay tondra-dronono sy tantely, tany nampanantenana azy ireo. Ry Havana, olom-boaantso isika koa maneke ny irak’i Jesoa Kristy: hitaona ny olony ho ao amin’ny fanjakany, dia ny fiainana mandrakizay izay efa nampanantenainy ho antsika.
Fanontaniana :
Ahoana ny famalinao ny antson’ny Tompo niantefa taminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe