Ny anjaran’ny manetry tena
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Desambra 2024
Isaia 57. 15-21
Isaia 57. 15-21
15 Fa izao no lazain'ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin'ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin'ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin'ny manetry tena sy hamelombelona ny fon'ny torotoro fo; 16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] 17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany. 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin'ny malahelo ao aminy, 19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an'izay lavitra sy ho an'izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. 20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. 21 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.Ny anjaran’ny manetry tena
1- Miara-monina amin’Andriamanitra (and.15-16)
Mihevitra manokana ny olona miaina amin’ny fanetren-tena Andriamanitra. Andriamanitra Masina Izy, monina amin’ny fitoerana masina, kanefa mijery manokana ny toe-pon’ny olona eo anatrehany. Ny olona manana fo marina sy manetry tena dia tsinjovin’ Andriamanitra manokana satria mifandray Aminy, honenany mba hanana fiainana miavaka. Izany no fiainana miaraka amin’Andriamanitra.
2- Mandray famindrampo (and.17-18)
Ny fahotana no efitra mampisaraka ny olona amin’ Andriamanitra. Andriamanitra Masina Izy ka tsy mankasitraka ny ota, mihatra amin’ny mpanota ny famaizana avy amin Andriamanitra. Miharihary kosa anefa fa izay manetry tena ka manana fo torotoro eo anatrehany no anehoany famindrampo, famelan-keloka, fanafahana amin’ny fahoriana rehetra. Mahasoa eo amin’ny fiainana ny fahaizana manetry tena sy mifona amin’ny fahotana rehetra natao teo anatrehan’Andriamanitra.
3- Miaina amin’ny fiadanana (and.19-21)
Fiadanana no atolotr’Andriamanitra ho an’ny olona manetry tena sy miala amin’ny faharatsiana, dia ny olona izay manao ny marina hatrany. Ny ratsy fanahy dia tsy hanana fiadanana eo amin’ny fiainany, fa fikorontanana mandrakariva no miseho eo amin’ny fiainany (and.31-32). Raha te handray ny fiadanana avy amin’Andriamanitra ianao dia mahaiza miaina amin’ny fanatren-tena ka mifandraisana Aminy.
Fanontaniana:
Inona no tokony hatao mba handraisana ny tena fiainana sy famindrampo ary fiadanana avy amin’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe