Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny olona antsoiny dia:

Mofonaina anio: Alahady, faha 04 Jolay 2021

Genesisy 12. 1 - 9

Genesisy 12. 1 - 9
1 [Ny niantsoan'Andriamanitra an'i Abrama sy ny nivahinianay tany Kanana sy Egypta] Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; 2 dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao; 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. 5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy. 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay. 7 Ary Jehovah niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy. 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah. 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo.

Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny olona antsoiny dia:

1- Fahavononana hihetsika (and 1a)

« Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao » hoy Jehovah tamin’i Abrahama. Matoanteny milaza hetsika ny hoe « mandehana » izany hoe ny olona antsoin’Andriamanitra dia tsy mba olona asaina matory na midonana-poana fa olona vonona hihetsika, hamindra, hiasa amin’ny fankatoavana. Eto amin’ny mofon’aina anio dia hitantsika fa nandeha hatrany i Abrama, nitetitety mihitsy aza (and 6). Tsy miantso olona kamo araka izany ny Tompo, raha tsy vonona hihetsiketsika dia aleo mandà. I Jesoa koa dia nandeha hatrany, tsy mba nipetrapetraka Izy, nihetsika mandrakariva. Baikon’i Jesoa koa ny hoe « Mandehana ianareo … » (Mat 28. 19). Ianao koa, nantsoina ve ianao? aza varimbariana na mipetra-potsiny ary fa mihetse, miasà !

2- Fatokiana ny fitahiany (and 1b)

« Dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao… ary ho fitahiana tokoa ianao« . Sarotrany toerana nisy an’i Abrama, tampotampoka eo dia asaina mandeha, mahafoy ny taniny sy ny havany, kanefa mahavariana fa tsy olana tamin’ny Abrama ny nanaiky io fiantsoana io, ny antony dia satria nino sy natoky izy fa tsy manaotao foana Andriamanitra miantso azy fa matoa maniraka Izy dia vonona hiahy sy hihevitra ary hikarakara ny mpanompony. Mariho tsara eto fa eo amin’ny and.4 i Abrama vao nandeha, izany hoe taorian’ny fandrenesany mazava ny Tenin’Andriamanitra nanome toky azy, matoky ny fitondran’Andriamanitra izy. Moa ve tsy manome toky antsika koa ny filazan’i Jesoa hoe : « ny volon-dohanareo aza dia voaisa« ?. Ianao voantso, ianao voatendry ho an’ny amin’ny tany tsy mbola fantatrao, aza misalasala, henoy tsara ny Tenin’Andriamanitra dia mandehana fa sady hotahiana ianao no ho loharanom-pitahiana!

Fanontaniana:

Inona no mahatonga ny olom-boantso sasany tsy mihetsika mihitsy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE – FJKM