Ny aina sy ny fanompoana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Septambra 2022
ASAN'NY APOSTOLY 20.17-24
17 [Ny anatra nataon'i Paoly tamin'ny loholon'ny fiangonana tao Efesosy] Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon*'ny fiangonana** hankeo aminy. [* Gr. presbytera] [**Gr. eklesia] 18 Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin'ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin'izany andro rehetra izany, 19 dia ny nanompoako ny Tompo tamin'ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin'ny fanotrehan'ny Jiosy, 20 ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano; 21 ary nambarako tamin'ny Jiosy sy ny jentilisa* koa ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Gr. Grika] 22 Ary ankehitriny, indro, tery* am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, [* mifatotra] 23 afa-tsy izay ambaran'ny Fanahy Masina amiko amin'ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. 24 Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.

« nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko ,mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesoa Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra « (and24)

Ny aina sy ny fanompoana

Efa fantatry ny kristiana tsara fa tsy moramora mihitsy akory izany fanarahan-dia ny Tompo izany, satria na Izy Tompo aza dia niatrika zava-tsarotra sy mafy .Araka ny fanambarana izay hita ao amin’ny filazantsara dia nahatonga ny fahafoizany ny ainy mihitsy ny iraka nampanaovina azy .Efa niteny izany rahateo Izy fa tahaka izany koa no tsy maintsy arahan’ny mpanara-dia Azy marina (Mat 16.24) .

Tsy maintsy mifidy

Raha mifidy ny aina , izany hoe: mitandrina ny aina , manao izay hahasoa ny aina dia ho votsotra ny asa fanompoana satria amin’ny alalan’ny fahafoizana ny aina no hahavitana ny asa fanompoana .Raha misy kosa mifidy izay hahavita ny asa fanompoana , ankilan’izany dia tsy ho voatana mihitsy ny aina tahaka an’i Jesoa Kristy fa izany no nahavitany ny asa fanompoana nanirahana azy.

Ho an’i Paoly manokana dia mazava be mihitsy ny safidiny teo amin’ny ainy sy ny fanompoany , satria hoy izy hoe : tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko mba hahavita ny alehako dia ny fanompoana izay noraisiko .Izany hoe: foiny koa ny ainy mba ho fanarahany ny Tompo Andriamanitra . Nisy nahavita izany koa ireo maritiora malagasy , araka izay ambaran’ny tantara .

Fanontaniana :

Azo atao ny mahafoy ny aina hahavitana ny fanompoana. Maritiora maro no efa nahavita izany . Mbola misy ve izany ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM