Ny adidy napetraka amin’ny olom-boahosotra

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Mey 2020

ISAIA 61.1-7

ISAIA 61.1-7
1 [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy] 2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. 4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. 5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo* ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo**. [*Heb. Hohaninareo][**Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny] 7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.

Ny adidy napetraka amin’ny olom-boahosotra

1-Hitory teny soa mahafaly

Ny olom-boahosotra lazaina eto dia ny Mesia izay itoeran’ny Fanahin’i Jehovah , nefa koa ilazana izay rehetra efa nandray ny Fanahy Masina .Anisan’izany ny Fiangonana ,mpanambara ny vaovao mahafaly ny mpanompon’Andriamanitra fa tsy ho mpamendrofendro na mpanakivy olona. Satria Ilay Andriamanitra izay nanosotra azy no maniraka azy hanambara Teny soa mahafaly.Izy ihany koa no manatanteaka ny asa fanafahana sy fanavotana, fa izay anjaran’ny mpanompony dia ny manaiky ho fitaovana eo am-pelatànany , manaiky ho fitaovana eo am-pelatànany , manaiky ho irany hanambara izay hafatra ampitondrainy .Ny Fanahy Masina izay mitoetra ao amin’ny mpanompon’ Andriamanitra dia tsy hamela azy hitazam-potsiny manoloana ny fahorian’ny olona , fa maniraka azy kosa hitory ny vaovao mahafaly , mamelona fanantenana ho an’ny azom-pahoriana sy ny malahelo .

2-Hanangana ny rava

Tsy azo sarahina ny fanambarana ny vaovao mahafaly sy ny fandraisana andraikitra .Jesoa Kristy , ilay teny tonga nofo dia manambara tena tamin’ny asa fanafahana , manasitrana ny torotoro fo , mitory fanafahana amin’ny babo , mamoaka ny any an-tranomaizina .Tokony ho mpandray anjara mavitrika amin’ny asa sosialy ny Fiangonana fa tsy ho mpiteny fotsiny .Aoka ho hita mivaingana amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ny fanafahana sy ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy izay toriana sy ambara .Andraikitry ny Fiangonana ny fanarenana ny faharavana mahazo ny olona ankehitriny . Ao ny marary , ny rava fananana , rava tokantrano . Ao koa ireo mbola voafatotry ny fahotana ka miaina amin’ny fahazaran-dratsy isan-karazany .

Fanontaniana:

Manao asa sosialy ve ny Fiangonana misy anareo? Inona avy?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM