Noho ny herin’Andriamanitra sy ny asany dia :
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Jona 2019
Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY
Asan’ny Apostoly 21.15-26
15 Ary rehefa afaka izany andro izany, dia nifehy entana izahay ka niakatra nankany Jerosalema. 16 Dia niaraka taminay koa ny mpianatra sasany avy tany Kaisaria, izay nitondra anay ho any amin'i Menasona, olona avy any Kyprosy sady mpianatra maintimolaly, izay nokasainay hitoerana. 17 Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay tamin'ny fifaliana ny rahalahy. 18 Ary nony ampitso dia niara-niditra tany amin'i Jakoba izahay sy Paoly; ary vory teo ny loholona* rehetra. ]*Gr. presbytera] 19 Ary rehefa niarahaba azy Paoly, dia nilaza tsirairay ny zavatra rehetra izay efa nampanaovin'Andriamanitra azy tany amin'ny jentilisa izy. 20 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nankalaza an'Andriamanitra; ary hoy koa izy tamin'i Paoly: Hitanao, rahalahy, fa tsy omby alinalina ny Jiosy izay efa mino; ary fatra-pitàna ny lalàna izy rehetra, 21 sady efa novokisan'olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin'ny jentilisa hahafoy an'i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. 22 Ahoana ary no izy? Tsy maintsy ho reny ny nahatongavanao. 23 Ary noho izany dia ataovy izao lazainay aminao izao: Misy efa-dahy et? izay nivoady; 24 raiso ireo ka manadiova ny tenanao miaraka aminy, ary mandoava ny vola ho lany mba hanaratany ny lohany, ka dia ho fantatry ny olona rehetra fa tsinontsinona izay zavatra namokisana azy ny aminao, fa ianao aza mandeha manaraka ny lalàna kosa. 25 Fa ny amin'ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin'ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana. 26 Dia noraisin'i Paoly ireo lehilahy ireo, ary nony ampitso dia nanadio ny tenany niaraka taminy izy ka niditra teo an-kianjan'ny tempoly, nanambara ny fahatanterahan'ny andro fahadiovana mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny isan-dahy.Noho ny herin’Andriamanitra sy ny asany
dia :
1-Mitombo fatratra ny isan’ny mino an’i Jesoa na Jiosy na Jentilisa
Nifanao
tatitra i Paoly sy ireo loholona tany
Jerosalema . Izany tatitra izany no ahatsapana
ny asan’ Andriamanitra . Ny nampanaovina
an’i Paoly dia ny hitory amin’ny Jentilisa . Vokany : maro ny Jentilisa no resy lahatra hino sy hanaiky
an’i Jesoa Kristy (and19).
Tsy latsaka amin’izany koa anefa
ny nataony tamin’ireo Jiosy araka ny tatitra nataon’ny loholona (and20).
Tsy omby
alonalina ny Jiosy tonga mpino
kristiana .
2-Mahay mifankatia ny samy mpino an’i Kristy
Foko samihafa avy amin’ny firenena samihafa no lasa mahay mifankatia , noho ny asan’ Andriamanitra izay mampiombona azy . Nisy mpianatra avy any Kaisaria (and16) nanaraka an-dry i Paoly no ho ny fifankatiavana . Tonga tany Jerosalema dia tamin’ny fifaliana no nandraisan’ireo mpino an’ireto mpino avy lavitra ireto (and17) . Nanoro hevitra an’i Paoly ireo loholona mba ho fiarovana azy amin’ny fiampangan’ny olona sasany azy (and 22). Noho ny fitiavana avy amin’ Andriamanitra no mahatonga izany rehetra izany . Izay ilay didy vaovao napetraky ny Tompo Jesoa , sady famantarana ny maha- mpianany antsika . mandini-tena isika mpino ankehitriny , raha mandinika izany fifankatiavan’ny mpino teo aloha izany .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »
Boky faha- 8