Noharian’Andriamanitra ny olombelona
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Janoary 2023
GENESISY 2.4-17
GENESISY 2.4-17
4 [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: 11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; 12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. 13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. 15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. 16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; 17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.Noharian’Andriamanitra ny olombelona
Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika ,ka nohariany isika mba :
1-Hanam-pifandraisana Aminy (and7)
Ambaran’ny Soratra Masina fa vovoka avy amin’ny tany no nanamboaran’Andriamanitra ny olombelona ,ka nampidiarny fofonaina mahavelona .Io fofonaina avy amin’Andriamanitra io no ananany fifandraisana amin’Andriamanitra .Noforoniny araka ny endriny sy araka ny tarehiny ny olona (Gen 1.26/5.2). Izany koa no mampiavaka azy amin’ny zava-mananaina hafa .
2-Hiasa sy hitandrina ny saha (and 9-15)
Noharian’Andriamanitra sady narindrany araka ny fahatsarany ny zava-boahary rehetra ilain’ny olombelona mba hahavelona azy .Tsy natao hipetra-potsiny ny olona fa nametrahana andraikitra mba hiasa sy hitandrina ny zava-boaharin’Andriamanitra .Adidin’ny olombelona ny mikolokolo sy miaro ny tontolo iainana .Ny fikaohan’ny nofo-tany sy ny fanimbana ny ala tsy am-piheverana ,ny doro tanety mbamin’izay rehetra manimba ny firindran’ny zava-boahary dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra .
3-Hankato ny teniny (and16-17)
Nasehon’Andriamanitra ny tsara sy ny ratsy noho ny fitiavany dia nomeny safidy malalaka ny olombelona na hankato ny didin’Andriamanitra na tsia. Ny fankatoavana ny teniny no antoky ny fahaveloman’ny olona .Fa raha mandika izany izy dia ho faty (and17) .Ny fankatoavana ny teniny no antoky ny fahavelomana mandrakizay .
Fanontaniana :
Fahotana ve ny manimba ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ? Hazavao ny hevitrao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM