Nodimandry nefa manana fanantenana: Mitsangana tahaka an’i Jesoa
Mofonaina anio: Talata, faha 15 Aprily 2025
(Sal 56.10-13 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 29.1,2)
1 Tesaloniana 4,13 - 18
13 [Ny hihavian'i Kristy sy ny toetry ny Kristiana izay modi-mandry] Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana. 14 Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran'Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin'i Jesosy* hiaraka aminy. [* Na: tamin'ny alalan'i Jesosy] 15 Fa izao no lazainay aminareo amin'ny tenin'ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin'ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. 16 Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha; 17 ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika. 18 Koa dia mifampionòna ianareo amin'izany teny izany.Nisy fanontaniana tena nanahirana ny sain’ny Tesaloniana ity: Ny Kristiana izay maty amin’izao fotoana izao ve tsy mba hanana anjara amin’ny fihavian’i Jesoa Kristy na ny fiainana ho entiny ho an’izay mino Azy amin’izay fotoana izay? Ny fisian’ny olona maty teo amin’ny Fiangonana voalohany mantsy dia nampikorontana ny sain’izy ireo. Koa mba hampitonian’i Paoly ny ahiahy sy ny eritreritra tsy mandry ao amin’ireo mpino ireo dia : Nampiasa ny teny hoe nodimandry Izy.
Hoy i Paoly hoe: « Tsy tianay tsy ho fantatrareo ny amin’ireo izay efa nodimandry ». Ny dikan-teny hafa ilazana io teny io dia hoe: « maty ». Nahoana kosa anefa no nodimandry no teny nampiasaina eto? Satria misy hevitra ao ambadik’izany manao hoe ny olona mandry, na dia sarin’ny maty aza izany dia mbola hifoha ary ny mifoha dia ilazana indray ny mitsangana amin’ny maty. Efa maty i Jesoa nefa nitsangana tamin’ny maty.
I Jesoa no efa nisantatra izany tamin’ny nahafatesany sy ny nitsanganany tamin’ny maty, ka entina hampaherezana ny mpino koa izany. Izay mino Azy, na dia maty aza dia hitsangana amin’ny maty koa, tahaka Azy.
Manana fanantenana
Mampahery ny Kristiana araka izany i Paoly mba tsy ho very fanantenana tahaka ny sasany izay tsy mba manana izany mihitsy izy ireo, ka mihevitra fa rehefa maty dia vita koa ny tantara sy ny fiainan’ny olona. Tsia, takiana araka izany ny hiorenana hatrany amin’ny finoana an’Andriamanitra, Ilay mahay manangana ny maty tahaka ny nananganana an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no hevitry ny hoe nodimandry aminao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe