Nisongadina ireo maritiora tamin’ny :

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Aogositra 2021

SALAMO 31.1-8

SALAMO 31.1-8
1 [Fitarainana nataon'izay tra-panenjehana mafy] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin'ny fahamarinanao aho. 2 Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy. 3 Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy. 4 Hanafaka ahy amin'ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy. 5 Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana. 6 Halako izay mivavaka amin'ny sampy*; fa Jehovah kosa no itokiako.[Heb: zava-poana mandainga] 7 Hifaly sy ho ravoravo amin'ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian'ny fanahiko, 8 ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan'ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin'ny malalaka Hianao.

Nisongadina ireo maritiora tamin’ny :

1-Fiankinana tanteraka amin’ny Tompo

« Jehovah ô , ianao no ialofako  » (and1). « Harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ianao » (and3) . Manana fahavalo ny mpanompon’Andriamanitra . Fahavalo izay mikasa hifofo sy hamongotra . Niainan’i Davida izany rehefa nikasa hifofo ny ainy i Saoly . Ho anao koa , mahatsiaro fanenjehana na adim-panahy mahery vaika ve ianao ? Miantehera feno amin’ny Tompo fa ampy hialofanao Izy .

2-Fananany fanantenana miredareda

« Hanafaka ahy amin’ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy ianao  » (and 4). Ankoatry ny aina izay tandindomin-doza dia eo koa ny mety ho fahakiviana na fihemorana ateraka izany . Sanatria amin’ny maritiora izany . Vao mainka mamelombelona ny fanantenany , satria momba azy ireo mandrakariva ny Tompo.

3-Fahasahiana hiatrika ny fahafatesana

« Eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko » (and5) . Amin’ny maha- vavolombelona azy , ny maritiora dia sahy maty , mijoro hatramin’ny farany . Eny , fa na dia hiafara amin’ny famoizana ny ainy aza izany . Nampiasa ity vavaka ity Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana mariky ny fanolorantenany sy ny fanekeny hitondra ny otantsika (Lio 23.46)

Fanontaniana :

Mbola manana fifaliana ny mpanao salamo na dia miatrika ady mafy aza (and7) . Nahoana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM