Niharan’ny fandrahonana sy herisetra ara-tsaina ity lehilahy izay nositran’i Jesoa ity
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Septambra 2024
Jaona 9. 35-41
Jaona 9. 35-41
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao? 36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy? 37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy. 38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy. 39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin'izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra. 40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba? 41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.Niharan’ny fandrahonana sy herisetra ara-tsaina ity lehilahy izay nositran’i Jesoa ity. Asongadina eto anio ny finoana tian’i Jesoa iorenan’ny mpino:
1- Finoana mampahiratra (and 35-38)
Hoy Jesoa: « Mino ny Zanak’Andriamanitra va ianao?… Efa nahita azy ianao, sady izay miresaka aminao izao no izy ». Tsy vitan’ny hoe nanasitrana ilay lehilahy teraka jamba i Jesoa, fa nanafaka azy tao anatin’ny gejan’ny aizina, sady mampiditra azy tanteraka ao anatin’ny fahazavan-tsaina sy ny finoana marina. Ry havana, tsy ny fanasitranana fotsiny no kendren’i Jesoa amin’ny fiainantsika fa izay tena kendreny dia ny hananantsika finoana Azy marina, hanafaka antsika amin’ny aizina ara-pinoana sy ara- tsaina; hanafaka amin’ny faharatsiana rehetra, finoana hitondra antsika amin’ny firaisan’aina Aminy ka hampiditra antsika ho ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Hoy ihany ny Teniny: « …Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo » (Jao 8.36)
2- Finoana manafaka eo anoloan’ny fitsaran’ Andriamanitra
Ireo Fariseo dia tena nanana finoana tokoa, nihevi-tena fa mahiratra mihitsy. Saingy ny vokatry finoan’izy ireo sy izay heveriny ho fahiratana eto dia herisetra, fanilikilihana ny hafa, avonavona, fanevatevana izay tsy mitovy hevitra aminy (and 24- 26). Tsy afaka hanamarin-tena eo anoloan’i Jesoa izy ireo. Tandremo ry havana, fandrao ho tahaka izany isika, ka hihevitra ho manam-pinoana an’Andriamanitra nefa ny toe-tsaina sy ny ataontsika dia mifanohitra amin’ny sitrapony. « Ny voa, no hahafantaranareo azy » (Mat 7. 16).
Fanontaniana:
Mitondra inona ho anao sy ny manodidina anao ny finoana anananao ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady Foibe