Niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra i Solomona

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Desambra 2022

1 MPANJAKA 11.4-13

1 MPANJAKA 11.4-13
4 Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin'ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin'i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida rainy. 5 Fa Solomona nanaraka an'i Astarta, andriamani-bavin'ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan'ny Amonita. 6 Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin'ny fanarahana Azy tahaka an'i Davida rainy. 7 Ary tamin'izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an'i Kemosy, fahavetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana tandrifin'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka, fahavetavetan'ny taranak'i Amona. 8 Ary toy izany koa no nataony ho an'izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny. 9 Ary Jehovah tezitra tamin'i Solomona noho ny nivilian'ny fony niala tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa 10 sady efa nandidy azy ny amin'izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian'i Jehovah izy. 11 Ka dia hoy Jehovah tamin'i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao. 12 Kanefa kosa tsy hataoko amin'ny andronao izany noho ny amin'i Davida rainao; fa rehefa mby amin'ny zanakao vao hendahako aminy. 13 Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin'i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.

Niala tamin’ny sitrapon’Andriamanitra i Solomona

Solomona  dia anisan’ny mpanjaka nalaza tamin’ny fananana fahendrena sy fahaiza-mitondra ny firenena ,saingy  tamin’izao fahanterany  izao  dia nivily làlana izy ka niala tamin’Andriamanitra .Inona àry no nahatonga izany ?

1-Nanaiky  hotarihan’ny vadiny  hanompo sampy

Nanambady vehivavy  taranaka mpanjaka maro I Solomona .Nataony  izany  mba ho fanamafisana  ny fifandraisana teo  amin’ny Israely sy ireo  firenena nanodidina azy .Tamin’ny  andron’ny  fahanterany dia nitarika azy hanompo sampy  ireo  vadiny,izay hafa firenena ireo .Ary  noho ny fitiavany  azy ireo  no nahatonga azy hanao  izay ratsy  indrindra teo imason’i Jehovah (and6), ka nanaiky  hanompo  ny  andriamanitr’ireo  vadiny  .Eto  noilazana fa tsy tokony  hampiala ny olona amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny fitiavam-bady.Tokony  hitandrina ny kristiana manambady  tsy mpino  , fandrao  hovoatarika hiala amin’Andriamanitra .

2-Nitotongana ny fanjakany (and11)

 Tsy hoe: tsy nahalala akory I Solomona , fa tena niniany  natao izao fivilian-dàlana hanaraka andriamanin-kafa izao  , ka tsy  nitandrina izay nandidian’I Jehovah azy noho ny fitiavam-bady tafahoatra .Mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra sy ny  famaizany  ny fivadihana Aminy .Nesorin’Andriamanitra taminy ny fanjakana .Na teo aza izany  dia nomeny  firenena iray  hanjakany  ihany  ny zanany  .Izany  dia noho  ny teny fampanantenana nataony tamin’I Davida sy Jerosalema .Tokony  ho mailo  isika mpino  sy izay rehetra manao  azy  ho  efa mijoro , fa betsaka ny zavatra mety hampiala antsika amin’ny fanompoana an’Andriamanitra .Izay  mitoetra ho mahatoky hatramin’ny farany  ihany no ankasitrahana .

Fanontaniana

Vakio  ny LIOKA 14.26. Ahoana ny fandraisanao izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM