Natao fanoharana ny amin’ny mpiambina i Jesoa mba hampitana fa tokony ho vonona mandrakariva ny olona amin’ny fotoana rehetra amin’ny fiavian’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 15 Martsa 2023

LIOKA 12.41-48

LIOKA 12.41-48
41 Ary hoy Petera: Tompoko, izahay va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ny olona rehetra? 42 Ary hoy ny Tompo: Iza moa no mpitandri-draharaha mahatoky sy manan-tsaina, izay hotendren'ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy anjara hanina amin'ny fotoana? 43 Sambatra ny mpanompo Izay ho hitan'ny tompony fa, indreo, manao toy izany, raha avy izy. 44 Lazaiko aminareo marina fa hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy. 45 Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo, 46 dia ho avy ny tompon'izany mpanompo izany amin'ny andro izay tsy ampoiziny sy amin'ny ora izay tsy fantany, dia hotapahiny roa* izy ka homeny anjara any amin'ny tsy mahatoky.[*Na: hokapohiny mafy] 47 Fa ilay mpanompo izay mahalala ny sitrapon'ny tompony ihany ka tsy miomana na manao izay sitraky ny fony dia hokapohina be. 48 Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.

Natao fanoharana ny amin’ny mpiambina i Jesoa mba hampitana fa tokony ho vonona mandrakariva ny olona amin’ny fotoana rehetra amin’ny fiavian’ny Tompo ka:

1-Fahasambarana no miandry izay mahatoky

Raha vakiana tsara ny mofonaina dia toa tsy namaly ny fanontanian’i Petera i Jesoa ,fa nohamafisiny indray kosa tamin’ny fanoharana hafa indray ilay efa teo aloha .Tsipihan’i Jesoa mazava tsara fa « ny mpanompo mahatoky sy manan-tsaina » dia mahatakatra ny hasarobidin’ny fotoana mbola hahazoany manao ny anjara fanompoana napetraka taminy (ny hifehy ny mpanompo namany sy hanome azy ireny anjara sakafo . Koa misikim-ponitra manatanteraka ny fanompoany izy amin’ny fotoanany sy araka ny tokony ho izy mba tsy ho tampoka aminy ny fiverenan’ny tompony ka ho tratra tsy manao izy . Taomina koa isika mandra-piverin’i Jesoa mba tsy ho varimbariana fa hanefa ny iraka napetrany tamintsika tsirairay raha mbola misy asan’i Jesoa tokony ataonao . Koa efao àry aza angatahana andro .

2-Famaizana no anjaran’izay manao kitoatoa

Mazava ny ilazan’i Jesoa ny amin’izay mpanompo tsy mahatoky dia izay nametrahana andraikiitra , kanefa manjehy ny andro ho lava ka sodoka amin-javatra hafa,manao izay hahafinaritra ny tenany , saingy nomena fahefana . Hita eto fa sady tsy mahavita ny andraikiny izy no manembatsembana ny hafa ( mikapoka ny namany ,tsy manome hanina) . Ity mpanompo ity anefa dia mahalala tsara fa tsy maintsy hiverina ny tompony . Taomina isika tsy hanao rainazy na zara fa vita ny fanompoantsika ary tsy ho sakana ho an’ny hafa koa .

Fanontaniana :

Diniho manokana ny tenanao ,manao ahoana ny fahavononanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM