Naniraka ny fitopolo lahy i Jesoa. Hita sy tsapan’izy ireo
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Jona 2025
Sal 34.1-3 / Hira 36.1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 164.1,2
Lioka 10.17-20
17 Ary ny fito-polo lahy niverina tamin'ny fifaliana ka nanao hoe: Tompo ô, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao. 18 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho nahita an'i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. 19 Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo ianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory. 20 Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.Naniraka ny fitopolo lahy i Jesoa. Hita sy tsapan’izy ireo
Ny hery sy ny fahefan’ny anaran’i Jesoa Kristy.
1. Miteraka fifaliana:
Noho ny anaran’i Jesoa dia nanaiky avokoa ny olona rehetra, eny fa na ny demonia aza, izany no tatitra nataon’ireto fitopolo lahy avy nirahina. Nanaiky ny fitopolo lahy ny olona, fa tsy noho ny maha izy azy ireo fa noho ny anaran’i Jesoa. Feno fifaliana ireto farany noho ny vokatra azony tamin’izany. Nohamafisina sady nampian’i Jesoa fa ny fahazoana antoka fa voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana no tena fifaliana, dia rahatrizay tonga ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Azo atao ny mifaly noho vokatra azo amin’ny asa nanirahan’ny Tompo fa tsara kokoa raha haorina amin’ny valim-pitia mbola ho avy rahatrizay ny fifaliana amin’ny asa fanompoana. Hoy ny Soratra Masina: « Mifalia amin’ny fanantenana » (Rom. 12,12)
2. Handresena fanahy ratsy
Nambaran’i Jesoa fa ny devoly fahavalo dia eto amin’izao tontolo izao. Jesoa anefa dia nandresy an’i satana sy ny miaramilany rehetra, ary tiany ho mpandresy tahaka Azy ny mpianany. Koa nomen’i Jesoa Kristy fahefana ny mpianatra handresy fahavalo sy ny heriny rehetra. Amin’ny Anarany no ahazoana izany fandresena izany. Tsy miankina amin’ny fahaizana na fahalalana na koa izay heverina ho fahamendrehana fa fanomezana avy Aminy tanteraka. Azo antoka ny fandresena ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra noho ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta. Mbola maro ankehitriny ny olona voafatotry ilay ratsy ka miaina amin’ny fomba ratsy maro samihafa. Koa antsoy, ary aza misalasala fa hanafaka sy hampandresy anao Izy.
Fanotaniana:
Anaran’ iza no antsoinao voalohany raha sendra olana ianao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe