Nanaiky hatao batisa i Jesoa.
Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Janoary 2025
LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA
Marka 1.9-13
9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana. 10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. 11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. 12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin*'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[*Gr. noroahin'] 13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.Nanaiky hatao batisa i Jesoa.
Zava-dehibe ho an’ny finoantsika ny mahafantatra ny antony naneken’i Jesoa hatao batisa. Nanaiky hatao batisa Izy mba:
1- Ho fiombonana amin’ny olona
Nanao izany Izy mba ho fanambarana fa tonga ny fotoana hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra hamonjy ny mpanota: « …fa rehefa tonga ny fotoan’andro, dia nirahin’Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ny lalàna, hanavotany izay ambanin’ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan’anaka. » (Gal 4.4,5). Efa akaiky Andriamanitra Mpitsara, ka izay mibebaka ihany no haharitra eo anatrehany, araka izay efa nambaran’i Jaona rahateo. Nanolo-tena hatao batisa i Jesoa na dia tsy nanan-keloka aza, mba ho fifandraisana am-pitiavana sy firaisana aina amin’ny olona, indrindra ireo izay mahatsiaro tena ho mpanota, ka hitaomana azy ireo handray ny batisan’ny fibebahana.
2- Ho fahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra.
Asongadina eto ny zava-miafina momba an’Andriamanitra Telo Izay Iray: Jesoa Kristy, Ilay Andriamanitra tonga nofo ka nanaiky hatao batisa toy ny mpanota; ny Fanahy Masina nidina nankeo amin’i Jesoa; ary ny Ray mankasitraka an’i Jesoa Zanany. Araka izay efa nambaran’i Jaona mpialoha làlana dia i Jesoa no « Ilay ho avy », Izy no Ilay mahery kokoa na « Mahery indrindra » (and.7). Ny hampiseho sy hanambara an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy, ka hahatonga ny olona hibanjina Azy no fikasan’Andriamanitra, raha naniraka ny Zanany Izy.
Fanontaniana:
Inona no mahatonga ny olona sasany hanaiky hatao batisa fanindroany? Azo atao ve izany? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe