Nampihavanina amin’ny Tompo isika

Mofonaina anio: Zoma, faha 26 Jona 2020

EFESIANA 2.11-22

EFESIANA 2.11-22
11 [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora - 12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao; 13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. 14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana, 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana, 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana. 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19] 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray. 19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, 20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; 21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo. 22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.

Nampihavanina amin’ny Tompo isika

Firenena samihafa no ambara eto . Ny voafora dia ny Jiosy sy ny tsy voafora dia ny firenen-kafa izay antsoiny koa hoe: Jentilisa .

1-Tonga iray rehefa ao amin’ny Tompo (and11-13)

Ny ankamaroan’ny mpino tany Efesosy dia Jentilisa fa tsy Jiosy . Nisy fanilikilihana nataon’ny Jiosy azy ireo tamin’ny izany , satria tsy voafora izy ireo . Fa fahiny dia sady lavitra ny famonjena izy ireo no voailika , satria tsy voafora . Rehefa ao amin’ny Tompo kosa dia mitovy na voafora na tsia.Tsy ny didy sy fitsipika apetrak’olombelona no manankery fa ny Ran’i Jesoa nanasana ny olona rehetra (vakio Gal 3.28).

2-Tonga vita fihavanana amin’ny Tompo (and14-22)

Tena nisy ny rindrina nampisaraka ny Jentilisa sy ny Jiosy tao amin’ny Tempolin’i Jerosalema .Nisy ny faritra tsy azon’ny Jentilisa hidirana , kanefa dia noravan’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana izany . Voafafany ny fahasamihafana .Vokany , dia tonga fianakaviambe vaovao ny olona rehetra ao Aminy . Amin’izao fetim-pirenena izao dia ambenti-teny mandrakariva ny hoe: Malagasy iray .Fa tsara lavitra raha iray ao amin’ny Tompo isika , satria izay ao Aminy dia efa zanany sy asan’ny tànany ka raisiny ho adidiny .Tonga firenena masina .

Fanontaniana:

Fantatrao ve amin’izao fetim-pirenena izao hoe: firy ny Malagasy efa voataonanao ho ao amin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM