Nahita vokatra tsara izy

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 13 Novambra 2025

Sal 95,1-5 / Hira 537:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.33

2 Mpanjaka 22,1 - 7
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahirana ny Bokin'ny LalĂ na] Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin'i Adaia, avy any Bozkata. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin'izay rehetra nalehan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. 3 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josia mpanjaka, dia naniraka an'i Safana mpanoratra, zanak'i Azalia, zanak'i Mesolama, izy ho any an-tranon'i Jehovah ka nanao hoe: 4 Miakara any amin'i Hilkia mpisoronabe, hanisany ny vola izay nampidirina ho ao an-tranon'i Jehovah, dia izay nangonin'ny mpiandry varavarana tamin'ny olona; 5 ary aoka hatolony ho eo an-tĂ nan'ny mpanao raharaha izay voatendry ny amin'ny tranon'i Jehovah izany; ary aoka homen'ireo ho an'ny mpiasa izay ao an-tranon'i Jehovah hanamboarany ny simba amin'ny trano, 6 dia ho an'ny mpandrafitra sy ny mpandatsa-bato ary ny mpipaika, dia hividianana hazo sy vato voapaika hanamboarana ny trano. 7 Kanefa tsy nampamoahina ny amin'ny vola natolotra teo an-tĂ nany ireo, fa nahatoky izy.

Sal 95,1-5 / Hira 537:1,4 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF.33

Josia dia mpanjaka nalaza tamin’ny fanarenana ny lafiny ara-pivavahana tamin’ny fotoany. Nahita vokatra tsara izy satria:

Voalaza eto fa olona mahitsy teo imason’Andriamanitra i Josia. Izany hoe tena natoky tanteraka an’Andriamanitra izy sady niezaka nankato ireo fitsipika sy lalana nomen’ny Tompo. Ny tohin’izao Mofonaina izao, nahitana ny bokin’ny lalana, dia maneho fa tsy misalasala mitady sy mihaino ary mankato izay ambaran’ Andriamanitra izy. Izay sitrapon’ny Tompo hatrany no tanterahiny. Noravany avokoa ireo tsangam-batom-tsampin’ ireo andriamanitra tsy izy sy ny forongony (2 Tan.34,3-7). Ny fahatahorana an’Andriamanitra dia tsy am-bava fotsiny fa hita taratra eo amin’ny fiainana manontolo. Fitahiana sy fahombiazana no vokany. Hoy ny voasoratra: << Hotahiany izay matahotra an’i Jehovah, na ny kely na ny lehibe » (Sal.115,13)

Ao anatin’ny fanatsarana ny Tempoly ry Josia. Voalaza eto fa misy olona maro miara-miasa ao anatin’izany: mpanoratra, mpisorona, mpandrafitra, mpiasa vato. Nisy ny fanangonam-bola ho enti-manana amin’ny asa. Hita fa tena mahatoky avokoa ireto mpiara-miasa ka tsy ilaina ny ampamoaka mba hanamarinana ny fitantanam-bola (and. 7), satria tonga fitaratra ho an’ny rehetra ny mpanjaka amin’ny fitondrantenany. Azo ambara fa nisy fifampitokisana tsara teo amin’ny mpaniraka sy ny iraka ary ireo izay tena miasa, vokatr’izany dia mandroso tsara ny asa. Maro ny asan’Andriamanitra, ary tena mitady olona mahatoky Izy hiara-miasa Aminy, aoka mba ho anisan’izany ianao.

Nahoana no maro ny olona tsy atokisan’ny Fiangonana amin’ny asan’Andriamanitra na dia samy kristiana aza?