Na iza na iza no natao batisa ho an’i Krtisty dia :
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 09 Septambra 2021
GALATIANA 3.26-29
GALATIANA 3.26-29
26 Fa ianareo rehetra dia zanak'Andriamanitra amin'ny finoana an'i Kristy Jesosy. 27 Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an'i Kristy dia nitafy an'i Kristy. 28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. 29 Fa raha an'i Kristy ianareo, dia taranak'i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.Na iza na iza no natao batisa ho an’i Krtisty dia :
1-Mitafy an’i Kristy
Hatrany am-piandohana , rehefa nandika ny didin’Andriamanitra Adama sy Eva dia nahatsiaro nitanjaka ka nanjaitra ravin’aviavy nataony sikina izy ireo (Gen 3.7). « Ary i Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an’i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy » (Gen 3.7). Io akanjo hoditra izay nalaina avy amin’ny hoditry ny ondry io dia taratr’i Jesoa Kristy , Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (Jao 1/29). Ny fanaovana batisa àry dia ahafahana mitafy an’i Kristy . Ampirisihana amin’izany ny mpianakavin’ny finoana araka ny voasoratra hoe : « Fa itafio Jesoa Kristy Tompo , ary aza miahy ny nofo hahatanteraka ny filàny » Rom 13.14
2-Mpandova araka ny teny fikasana
Nifamatotra tamin’ny baiko momba ny famorana ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama (Gen 17.10) .Aty amin’ny fanekena vaovao dia ny batisa izay famorana tsy natao-tànana (Kol 2.11). Io indray no taratry ny fanekena vaovao eo amin’Andriamanitra sy ny olony. Amin’izany , izay atao batisa ho an’i Kristy dia misitraka ihany koa ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama , mpandova araka ny teny fikasana toy ny fitahiana , taranaka ary famirapiratana . Ny olom-baovao tahaka an’i Zakaiosy izay miroso amin’ny safidy tsara dia ambaran’i Jesoa hoe : « Izy dia zanak’Abrahama koa » (Lio 19.9). Ny fandovana ny fiainana mandrakizay dia isan’ny valisoa ho an’ny mpino araka ny teny fikasana .
Fanontaniana :
Inona no maha-zava-dehibe ny batisa ho an’i Kristy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM