Mpivahiny isika no eto

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Janoary 2022

1 JAONA 2.15-17

1 JAONA 2.15-17
15 Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray. 16 Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany. 17 Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Mpivahiny isika no eto

Mampahatsiahy ny toerana misy antsika mpino sady manoro izay tokony ataontsika ny Soratra Masina, araka zao manaraka izao :

1-Aza tia izao tontolo izao

Ny hoe : « izao tontolo izao » dia entina ilazana ny rafim-piaraha-monina tantanan’ny olona eo ambany fahefan’ny devoly ka tsy manaraka ny sitrapon’Andriamanitra . Ny hoe : tia izao tontolo izao dia mankamamy fahafinaretana sy manoka-tena amin’ny zavatra efa hita fa manohitra an’Andriamanitra .Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray (and15b) .Satria ny zavatra rehetra izay ao amin’izao tontolo izao , izany hoe : ny filan-dratsy maha-olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao , dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao (and16) .

2-Katsaho ny mandrakizay

Tsy ratsy ho azy akory ny mihary harena na ny mikely aina , mitady vola fa ny vola enti-mikatsaka izany no maharatsy azy , raha toa ka mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra . Fitaovana eo am-pelatànan’ny olona hanompoana an’Andriamanitra sy hikatsahana ny fiainana mandrakizay ny vola aman-karena , fa tsy natao hotompoina na hisolo ny toeran’Andriamanitra ao am-po. Izany no ilazan’i Jesoa hoe: « Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy mamôna ianareo « (Matio 6.24). Tsy tokony hiray zioga amin’ireo olona miaina amin’ny faharatsiana ny kristiana fa tokony hijoro ho fanasina sy fahazavana eto amin’izao tontolo . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay » .

Fanontaniana :

Inona no andraikitra andrasana amin’ny fiangonana manoloana ny ady amin’ny kolikoly ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM