MPITARIKA ianao
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Oktobra 2020
EZRA 10.1-8
EZRA 10.1-8
1 Ary raha mbola nivavaka sy nitsotra Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra, dia nivory teo aminy ny olona maro be avy tamin'ny Isiraely, na lehilahy, na vehivavy mbamin'ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona. 2 Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany. 3 Koa aoka izahay hanao fanekena amin'Andriamanitsika hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy izay mangovitra noho ny didin'Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany. 4 Mitsangàna, fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara, ka ataovy izany. 5 Dia nitsangana Ezra ka nampianiana ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny Isiraely rehetra hanao araka izany teny izany; dia nianiana ireo. 6 Dia nitsangana niala teo anoloan'ny tranon'Andriamanitra Ezra ka nankany amin'ny efi-trano nitoeran'i Johanana, zanak'i Eliasiba; ary nony tafiditra tao izy, dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana. 7 Dia nandefa teny eran'i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin'ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana mba hivory any Jerosalema; 8 ary na iza na iza no tsy tonga amin'ny hateloana araka ny tenin'ny mpanapaka sy ny loholona, dia horobaina* ny fananany rehetra, ary hesorina amin'ny fiangonan'ny olona izay efa niverina avy tamin'ny fahababoana izy.[Heb. hatao herema]MPITARIKA ianao
1-Sahia mifona ho an’ny olona tarihanao (and1)
Rehefa nahita ny fandikan-dalàna iEzra dia nalahelo ary nirotsaka an-tsehatra mihitsy izy hangata-pamelana ho an’ny olona teo . Naka vady tamin’ny tompontany mantsy ny olona sasany . Tsy hoe : sanatria mpanavakavaka akory Andriamanitra raha tsy mankasitraka izany fa antony ara-pivavahana no mahatonga izany , satria nanjary nanompo ny andriamanitry ny Kananita ny olona ary nanaraka ny fahavetavetany sy ny fahalotoany . Ianao koa , raiso ny andraikitra . Mivavaha ho an’ izay diso làlana tahaka ny nataon’i Jesoa izay nifona na dia ho an’ireo namono Azy aza .
2-Taomy hanova famindra ny olona tarihanao (and 2-5)
Tsy nijanona hatreo amin’ny fitondrana am-bavaka ny fandraisana andraikitr’ i Ezra , fa ny fihetsika nataony dia nahatonga ny olona hahatsiaro tena fa diso ka nibebaka , ary notarihan’i Ezra mba haneho mivaingana izany fiaikenkeloka izany ny olona ka nanao fanekena fa hanapaka ny fifandraisana amin’ny fahavzetavetana sy ny fanompoantsampy izy ireo .
3-Aoka ho hentitra amin’ny fitaizana ny olona (and 8)
Rehefa nandray fanapahankevitra sady nanao fanekena fa hiala amin’ny làlan-disony ny olona , dia tezain’ i Ezra kosa izy ireo eto mba hitana ny teny nomeny . Hentitra tsara ny and 8 , milaza ny zavatra miandry izay mivadi-panekena . Tsy midika akory izany hoe : manova didy jadona amin’ny maha-mpitarika anao , fa manana andraikitra hametraka arofanina ho an’izay tarihanao tsy hiverin-dàlana ho amin’ny fahotana ianao .
Fanontaniana :
Mpitarika ianao , manao ahoana ny fandraisanao andraikitra manoloana izay diso làlana amin’ny olona tarihanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM