Mpitandrina na mpitondra Fiangonana manao ahoana tokoa re ianao e?

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Jolay 2022
1 Timoty 4,11 - 16
11 Izany zavatra izany no andidio sy ampianaro. 12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana. 13 Mandra-pihaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana. 14 Aza tsy mitandrina ny fanomezam-pahasoavana izay ao anatinao, izay nomena anao tamin'ny faminaniana sy ny fametrahan-tànan'ny loholona*. [* Gr. presbytera] 15 Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin'izany, mba hiseho amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao. 16 Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin'izany; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.

Epistily pastoraly, miantefa amin’i Timoty izay nomena anjara fanompoana hitondra Fiangonana ity epistily ity. Misarika ny sain’i Timoty ary i Paoly eto ka manipika tsara fa ny Mpitondra Fiangonana dia:

1- Modely ho tahafina (and 12)

« Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho my hatanoranao: fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao… » hoy i Paoly eto, tena tsindriany tsara amin’izany fa amin’ny zavatra rehetra ataony dia jeren’ny olona, jeren’ny fiaraha-monina, jeren ny Fiangonana ny mpitandrina ka izay ataony no heverin’ireny mijery azy ireny fa mety sy tokony harahina; nefa amin’ny lafiny iray koa ny fiviliviliana dia mety hitarika ny olona hihemotra amin’ny finoana ka ilazany hoe: « izany kosa ve no atao hoe mpitandrina? ». Saropady araka izany ny asan’ny Mpitandrina na dia lazaina fa asa tsara aza. koa ilana fitandremana sy fiambenana tsara mandrakariva.

2- Mikely aina amin’ny anjara fanompoany

« Mazotoa hihevitra izany zavatra izany, dia mikeleza aina fatratra amin izany, mba hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao » (and 15). Ny hoe mikely aina dia midika hoe manao ho zava-dehibe ny fanomezam-pahasoavana sy ny fitandremana ny fampianarana, koa taomina isika mpitandrina tsy ho variana fotsiny amin’ny asa fa hihevitra izay handrosoana amin’ny fahalalana, tahaka ny fanohizana fianarana mandrakariva ohatra fa rehefa mandroso ianao dia afaka mampandroso ny Fiangonana ihany koa!

Fanontaniana: Mpitandrina na mpitondra Fiangonana manao ahoana tokoa re ianao e?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM