Mpino manetry tena
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Desambra 2024
Joba 22. 21-30
Joba 22. 21-30
21 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. 22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. 23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. 24 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; 25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana] 26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. 27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. 28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava. 29 Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy] 30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.Mpino manetry tena
Teny nataon’i Elifaza tamin’ i Joba teo anoloan’ny fizahan- toetra nihatra taminy ity, izay mampitodika antsika ho amin’ny fifamatoram-piainana amin’ Andriamanitra.
1- Miara-mandeha amin’Andriamanitra
«Mifankazara amin’ny Tsitoha ianao»: hamafiso hatrany ny fifandraisanao amin’ Andriamanitra. Mifankazatra, miaraka lalandava, tsy misaraka, mivavaka sy mamaky ny Tenin’Andriamanitra. Ny fiarahana Aminy no atao ambony indrindra eo amin’ny fiainana manontolo ary manaiky ny anatra omeny, tsy manompo andriamani-kafa. Misafidy ny hiaraka amin’Andriamanitra amin’ny fiainana manontolo ny olona ny mpino manetry tena.
2- Miaina amin’ny fiadanana
«Hiadana; izany no hahatongavan’ny soa aminao», misy valiny lehibe tokoa ny fifandraisana amin’Andriamanitra, dia ny fifarnatoram-piainana Aminy, ny fanekena ny torolalana omeny. Mandray fiainana, miaina amin’ny fiadanana mandrakariva izay manetry tena sy mitoetra eo amin’Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra atrehina amin’izao fiainana izao. Miharihary ao amin’ny Soratra Masina fa rehefa sara fifandraisana amin’Andriamanitra ny olona dia milamina tokoa ny fiainany (Jereo Deo 28.1-14)
Fanontaniana:
Inona no atao mba ahafahana mifankazatra amin’Andriamanitra Mandrakariva?
Sampana Sekoly Alahady Foibe