Mpino mandray andraikitra sy miasa
Mofonaina anio: Zoma, faha 12 Septambra 2025
Sal 25.1-7 / Hira 14 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 377.1
Romana 4,1 - 12
1 Inona ary no holazaintsika ho efa azon'i Abrahama, razantsika araka ny nofo? 2 Fa raha asa no nanamarinana an'i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin'Andriamanitra. 3 Fa ahoana hoy ny Soratra Masina? Ary Abrahama nino an'Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany (Gen. 15. 6). 4 Ary ho an'izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. 5 Fa ho an'izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana. 6 Dia araka izany koa no ilazan'i Davida fa sambatra ny olona izay isain'Andriamanitra fahamarinana tsy amin'ny asa, hoe: 7 Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. 8 Sambatra izay olona tsy hisain'i Jehovah heloka (Sal. 32. 1, 2). 9 Koa izany fahasambarana izany moa an'ny voafora ihany va, sa an'ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan'i Abrahama. 10 Ary ahoana no nanisana izany? Tamin'izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin'izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora. 11 Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen'ny fahamarinana amin'ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain'ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an'ireny ny fahamarinana, 12 ary ho rain'ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian'ny finoan'i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.Mpino mandray andraikitra sy miasa
Matoky ny Tenin’Andriamanitra
Ampahatsiahivina ny mpino ao amin’ny Fiangonana ny finoan’i Abrahama: «Ary Abrahama nino ka nisaina ho fahamarinany izany » (and.3). Nohamarinina noho ny finoany i Abrahama, fa tsy nohamarinina noho ny asa nataony. Ny hoe: mino, dia matoky no anisan’ny heviny. Natoky tanteraka ny teny nolazain’ Andriamanitra taminy i Abrahama, ka nihetsika sy niasa ary nandray andraikitra mba ho rain’ny firenena maro. Noho ny finoany no nialany tany Oran’ny Kaldea ho any Kanana, tany tsy mbola fantany; ary finoana vokatry ny fahatokiany ny teny nolazain’ Andriamanitra taminy. Koa aza miasa na mandray andraikitra noho ny hambom-po ateraky ny teny mandrisika sy mandroboka, na mandokadoka antsika, fa noho ny Tenin’ Andriamanitra izay andraisantsika antson’i Kristy sy iorenana amin’ny finoana.
Misitraka fahasoavana sy hasambarana
« Ary ho an’izay miasa dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama fa trosa » (and.4). Ny karama dia tsy maintsy aloan’ny mpampiasa amin’ny mpiasa, ary rariny izany: « Ny karaman’izay nokaramainao, aoka tsy hitoetra aminao miloak’alina » (Lev 19,13). Ananan’ny mpiasa trosa ny mpampiasa raha tsy mandoa an’izany! Fanomezana maimaim-poana vokatry ny finoana an’i Jesoa kosa ny fahasoavana fa tsy karama vokatry ny asa na ezaka natao. Fahasoavana no anamarinana maimam-poana izay mino, na dia tsy mendrika aza izy. Nohamarinina ka tonga sambatra, satria «Sambatra ny olona izay voavela heloka!» (Sal 32,1).
Fanontaniana:
Nahoana no tsy amarinina na vonjena amin’ny asa isika?
Sampana Sekoly Alahady Foibe