Mpiandry ondry , mino ny vaovao mahafaly
Mofonaina anio: Alarobia, faha 29 Desambra 2021
LIOKA 2.15-20
LIOKA 2.15-20
15 Ary tamin'izany rehefa niala teo aminy ireo anjely ireo ka nankany an- danitra, dia niresaka ireo lehilahy mpiandry ondry ka nanao hoe: Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika. 16 Dia nandeha faingana izy ka nahita an'i Maria sy Josefa, ary ny Zazakely nandry teo am-pihinanam-bilona. 17 Ary nony efa nahita izy, dia nampiely izay teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. 18 Ary izay rehetra nandre dia gaga tamin'izay zavatra nolazain'ny mpiandry ondry taminy. 19 Fa Maria kosa nitadidy izany teny rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. 20 Ary ny mpiandry ondry niverina nankalaza ny nidera an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny ny hitany, araka izay nolazaina taminy.Mpiandry ondry , mino ny vaovao mahafaly
Tsara alain-tahaka ny fihetsik’ireto mpiandry ondry ireto . Rehefa nandre ny vaovao mahafaly nambara taminy mantsy izy ireo dia :
1-Nitady an’i Jesoa (and 15,16,)
Niseho tamin’ireo mpiandry ondry tany an-tsaha ny anjelin’ny Tompo ka nanambara taminy ny vaovao mahafaly mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy . Rehefa lasa ireo anjely dia nanapa-kevitra ireo mpiandry ondry fa handeha ho any Betlehema mba hizaha ny zava-baovao nambara taminy . Olona maro no efa nandre sy nanambarana ny vaovao mahafaly momba an’i Jesoa Kristy sy ny famonjeny , saingy vitsy no nanaraka izay rehetra nambaran’ny Tenin’Andriamanitra : ao ny malaina mihetsika , ao ny tsy mino ,ao ny voafatotry ny fananany ka tsy afaka …
2-Nanambara tamin’ny hafa (and 17,18)
Rehefa nandeha tokoa izy ireo dia nahita an’i Maria sy Josefa ary ny zazakely nandry teo amin’ny fihinanam-bilona . Rehefa izany dia nampiely ny vaovao izay nambaran’ny anjely taminy momba an’i Jesoa izy ireo . Gaga sy talanjona izay rehetra nandre ny filazan’ny mpiandry ondry .Ny olona mino ny Filazantsara dia faly manambara ny momba an’i Jesoa amin’ny namany sy ny olona rehetra , tsy amin’ny faneriterena fa tena an-tsitrapo . Endrika hanehoana izany ny fanaovana Tafika masina .
3- Nanome voninahitra an’Andriamanitra (and20)
« Ary ny Mpiandry ondry niverina nankalaza sy nidera an’Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay reny sy hitany araka izay nolazaina taminy « . Ny fiderana sy fankalazana ankasitrahan’Andriamanitra dia izay vokatry n faharesen-dahatry ny olona , efa nahita sy nahatsapa ny fahamarinan’ny Teniny . Ao amin’ny fihainoana an’i Jesoa Mpamonjy no tanteraka izany .
Fanontaniana :
Ambarao amin’ny namanao izay fantatrao momba an’i JESOA
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM