Mpianatr’i Jesoa: mametraka Azy ho laharana voalohany, manam-paha-kevitra mazava, mijoro ho fanasina.

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Jolay 2024

Lioka 14. 25-35

Lioka 14. 25-35
25 Ary nisy vahoaka betsaka niaraka tamin'i Jesosy, dia nitodika Izy ka nanao taminy hoe: 26 Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 27 Na zovy na zovy no tsy mitondra ny hazo fijaliana ka tsy manaraka Ahy, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy. 28 Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia? 29 fandrao, rehefa nanao ny fanorenana izy ka tsy mahavita, dia handatsa azy izay rehetra mahita 30 ka hanao hoe: Io olona io dia nanomboka nanao trano, fa tsy nahavita. 31 Ary iza moa no mpanjaka, raha handeha hiady amin'ny mpanjaka hafa, no tsy mipetraka aloha mba haka hevitra tsara, na mahay mandresy ilay mitondra roa alina amin'ny iray alina izy, na tsia? 32 Fa raha tsy izany, raha mbola lavitra ny mpanjaka anankiray, dia hampitondra teny izy ka hangataka fihavanana. 33 Ary toy izany koa ianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro. 34 Koa tsara ny sira; fa raha ny sira aza no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy? 35 Tsy mahasoa ny tany na ny zezika izy, fa harian'ny olona. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.

1- Manao an’i Jesoa ho laharana voalohany (and 25)

Hoy i Jesoa eto hoe: « Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy« . Tsy midika akory izany hoe tokony hiady amin’izay akaiky azy ny olona te ho mpianatr’i Jesoa fa izao, mametraka an’i Jesoa ho lohalarana amin’ny zavatra rehetra ka tsy mampandefitra Azy na amin’inona na amin’inona. Indraindray mantsy dia milaza sy midongy ho mpianatr’i Jesoa ny olona nefa i Jesoa ataony laharana faharoa na aorian’izany aza amin’ny fiainana andavanandro.

2- Tapa-kevitra tanteraka (and 28)

Fanjakana andeha hiady no sary an’ohatra entin’i Jesoa manazava ny amin’ny hoe raha hanaraka Azy, dia tokony hanana fanapahan-kevitra hentitra sy mazava ary voalanjalanja tsara fa tsy entin-kafanam-po fotsiny; ka hoe amin’ny fotoana mora sy milamina dia mpianany fa raha vao sarotra sy mafimafy ny ady dia mody fanina ho tsy mahalala Azy akory. Efa voa tamin’izany i Petera (Lio 22. 60).

3- Mijoro ho fanasina tsara (and 34)

Tsara ny vonona sy tapa-kevitra tsara fa tena ilaina indrindra ihany koa ny mampifanaraka ny fiainana manontolo amin’ny sata maha mpianatr’i Jesoa; izany no tiany ambara amin’ny hoe: « tsara ny sira, fa raha ny sira no tonga matsatso, inona indray no hahasira azy?« . Taomina àry isika, izay mitonon-tena ho mpianatr’i Jesoa mba ho vavolombelony amin’ny fiainantsika! Ho fanasina e!

Fanontaniana

Mpianatr’i Jesoa manao ahoana ianao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe