Mpanorina fa tsy mpandrava ny Tompontsika
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Septambra 2020
JEREMIA 32.36-41
JEREMIA 32.36-41
36 Koa noho izany dia izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin'ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan'ny mpanjakan'i Babylona amin'ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy: 37 Indro izy hangoniko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin'ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin'ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay; 38 ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. 39 Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy; 40 dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin'ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko. 41 Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin'ity tany ity tokoa amin'ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.Mpanorina fa tsy mpandrava ny Tompontsika
1-Mpanorina firaisankina
Ny hoe : « omeko fo iray izy » dia midika fa ny Tompo mihitsy no miasa ao amin’ny tsirairay mba hananan’izy ireo firaisankina sy fiombonana . Mitovy ny tanjona , miara-paly miaraka ory , miara-manompo Tompo iray , araka ny vavak’i Jesoa hoe : « mba ho iray ihany izy » (Jao 17.14).Miara-mientana amin’ny fanompoana masina .
2-Mpanorina sori-dàlana
Homeko lalàna iray izy mba hatahorany Ahy lalandava (and 39) . Manana vina sy sori-dàlana mazava ho an’ny olona ny Tompo . Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay lalàna sy fahamarinanna ary fiainana dia mitantana antsika hizotra amin’ny fiainana mandrakizay ny Tompo . Sitrany raha miaina amin’ny fahatahorana Azy isika amin’ny andavanandrontsika mihitsy.
3-Mpanorina toe-po mba hatahorana Azy
« Ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa mba tsy hialany Amiko » (and 40) . Ambaran’ny Tompo eto izay hataony sy ny anton’izany .Izy no mahalala izay mahasoa antsika .Isan’izany ny handraisantsika fitahiana sy fahavokarana (and41) . Miara-dàlana amin’izany dia mamolavola toe-po sy toe-tsaina mba hifikirantsika Aminy hatrany ny Tompontsika . Tsy mijanona amintsika irery izany fa mitohy amin’ny taranaka fara mandimby .
Fanontaniana :
Inona avy ireo dingana tanterahan’ny Tompo amintsika mariky ny fitiavany antsika ?
Sampana Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM