Mpanangana ny Tompontsika

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 23 Aprily 2020

SALAMO 30.1-12

SALAMO 30.1-12
1 [Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola] 4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana] 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]

Mpanangana ny Tompontsika

1-Manafaka amin’ny loza mitatao

Nanintona ahy niakatra ianao , nampakatra ny fanahiko avy tany  amin’ny fiainan-tsy hita ianao” (Sal 30.1-3).Ity Salamo  faha-telopolo ity dia maneho fisaorana nataon’izay marary mafy noho ny namonjen’Andriamanitra ny ainy . Anisan’ireo boky ao amin’ny Testamenta Taloha izay ahitana faminaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy. Miseho amin’ny endrika fijoroana vavolombelona no voalaza eto. Azo lazaina sahady araka izany fa ny fanavotana ataon’ny Tompo manoloana ny olona izay tandindomin-doza toy ny aretina na ireo loza mitatao samihafa dia efa fananganana sahady. Firifiry tamintsika tokoa moa no efa tojo fanahiana , tebiteby , nandalo ady sarotra kanefa na dia teo aza ireo tranga izay noheverina fa tsy misy vahaolana intsony dia tsy mitsahatra naneho ny fiarovany hatrany hatrany ny Tompo. Tsy Izy ihany no mpandresy fa isika koa mba ataony mpandresy tahaka azy .

2-Mampody ny fisaonana ho fandihizana

Ny fisaonana no hanehoana ety ivelany ny alahelo ao anaty.Tsy mahay mifaly ny olona misaona fa na ny hitelin-kanina aza manahirana , fa mihidy hatramin’ny vavony .Amin’ny maha-Tompon’ny tantara ny Tompontsika anefa dia hainy ny manova ny mangidy ho mamy, ny fiakarana ho fidinana aryny tebiteby ho fanantenana.Mpanasitrana sy mpanafaka Izy : « Mampody ny aiko mba tsy ho isan’izay midina any an-davaka ianao« (and3).

Fanontaniana:

Milazà tranga efa niainanao na fantatrao maneho ny fanafahana , fanasitranana , fanavotana nataon’ny Tompo .

Sampana Sekoly AlahadyFOIBE FJKM