Momba ny olony Andriamanitra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 06 Aprily 2024

Salamo 78. 13-20

Salamo 78. 13-20
13 Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra. 14 Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina. 15 Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina. 16 Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. 17 Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra. 18 Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy. 19 Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra at? an-efitra va Andriamanitra? 20 Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy?

Momba ny olony Andriamanitra

Tantaran’ny nanafahan’ Andriamanitra ny zanak’ Israely tsy ho andevo tany Egypta intsony no anterina eto (Jereo Eks 14-17). Mitantara ny nanafahan’Andriamanitra azy ireo teo amin’ny ranomasina mena ny teny eto manao hoe: nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita. Nanome azy ireo rano hosotroina koa Andriamanitra na dia maina tanteraka aza ny tany ka tsy misy azon’ny olona natao mihitsy. Nitarika ny olona amin’ny lalana tokony halehany koa Andriamanitra tamin’ny rahona raha andro, ary tamin’ny afo raha alina. Izany toe-javatra izany dia mampiseho ny fiheveran’Andriamanitra sy ny fomban’Andriamanitra ny olony na ahoana na ahoana fihevitra sy fihetsiky ny olona manoloana an’Andriamanitra. Mariho tsara mantsy fa nanenjika ny zanak’ Israely ny Egyptiana kanefa ranomasina no eo anoloany. Dia nihevitra ho tapi-dalan-kaleha ny olona ka nimonomonona no azony natao, kanefa nasehon’Andriamanitra azy teo kosa fa manana hevitra hiheverana ny olony io Andriamanitra io, dia hevitra hahatonga fiadanana fa tsy loza akory. Nasehon’ Andriamanitra ny olona izany hery amam-pahefany izany tamin’ny nanafahany azy ireo tamin’ny Egyptiana.

Na dia manao tsinontsinona Azy aza ny olona

Zava-dehibe no ataon’Andriamanitra amin’ny olona raha ny marina satria indro momba ny olona hatrany Izy amin’ny fotoana rehetra sy toerana rehetra. Ny olona kosa anefa dia manao tsinontsinona izany fitiavan’ Andriamanitra izany; satria ambara eto hoe « mbola nandroso nanota Taminy ihany izy ireo ». Tena minia manao tsinontsinona an’Andriamanitra mihitsy ny olona araka izany saingy tsarovy fa tsy miova akory Izy.

Fanontaniana:

Mbola mihevitra ny olona ve Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe