Momàna handray ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Novambra 2022
ZAKARIA 9.9-11
ZAKARIA 9.9-11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Momàna handray ny Tompo
1-Tompo sy mpanjakanao Izy
And6 « Indro ny Mpanjakanao , avy ho anao “ . Ny Mpanjaka dia tsy mihetsika eo amin’ny seza fiandrianany raha misy antony manokana sy antony lehibe mihitsy aza. Toy izany koa no ambara amintsika anio : avy ho anao ny Mpanjaka , dia Ilay Tompo Andriamanintsika . Zava-dehibe Aminy ianao , zava-dehibe Aminy ny antsoantsonao izay mila famonjena Aminy . Faly Izy raha eo akaikiny ianao , satria marina ny voalazan’ny mpanao salamo hoe : “Fa izaho dia ny ho akakikin’Andriamanitra no mahatsara ahy” (Sal 73.28) .Efa hidina Izy anio handray andraikitra aminao (vakio Eks 3.7-8) ; Efa nampidininy ny zanany hiara-monina amintsika . “Ary ny Anarany hataon’ny olona hoe: Imanoela, izany hoe : raha adika amintsika Andriamanitra “ (Mat 1.23)
2- Tompo sy mpanavotra antsika Izy
And 10 “hofoanako tsy hisy kalesy intsony …” Ho avy handray andraikitra Izy ka ny andraikitra raisiny voalohany dia ny hanafoana ny ady .Handresy ny fahavalontsika , satria voalaza hoe: “ Fa isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-drà …” (Efes 6.12) . Ny kalesy sy ny soavaly no tsipika fiadiana ambarany eto , dia ireo fitaovam-piadiana entin’ny fahavalo miady amintsika . Ary rehefa esoriny tsy hanan-kery amintsika ireo dia hanjaka eo amintsika ny fiadanana, tsy ho amin’izay misy antsika ihany fa amin’ny tany rehetra manodidina antsika koa. Jereo izay voalazan’I Jesoa :”ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana .Izaho avy mba hananany fiainana sady hananany be dia be” (Jao 10.10 )
Fanontaniana:
Fantatrao ve hoe: nahoana I jesoa no misisika hiditra eo amin’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM