Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?
Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Febroary 2022
Genesisy 21. 1 - 8
Genesisy 21. 1 - 8
1 [Ny nahaterahan'Isaka, sy ny nandroahana an'i Hagara mianaka] Ary Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka ilay efa noteneniny. 2 Dia nanan'anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka. 4 Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy. 5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy. 6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. 7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. 8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia notazana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka.Moa efa nisy nampanantenain’Andriamanitra anao va ka tsy nataony ?
SAMPANA SEKOLY ALAHADY FOIBE FJKM