Mizaha toetra Izy
Mofonaina anio: Zoma, faha 19 Mey 2023
SALAMO 11.1-7
SALAMO 11.1-7
1 [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely*? [Na: ry voronkely] 2 Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. 3 Fa rava ny fanorenana*, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry] 4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]2-Mizaha toetra Izy
Tsy misy miafina amin’Andriamanitra tokoa ireny fampahoriana sy fampizakana ny tsy eran’ny aina ataon’ny zanak’olombelona amin’ny tsy manan-tsiny ireny . Hoa an’izay iharan’izany dia ampaherezina eto fa »mizaha toetra » azy Andriamanitra .Ao anatin’ny zava-tsarotra tokoa Andriamanitra no misedra ny herin’ny finoana Azy . Koa tsarovy mandrakariva fa mahita izay zava-tsarotra sy mampahory mihatra aminao Andriamanitra , ary i Jesoa aza moa ao amin’ny Jao 11.4 dia milaza hoe : » tsy ho fahafatesana no qnqton’izao , fa ny hampisehoana ny voninahitr’Andriamanitra » .Ary dia hamafiso ny finoana .
2-Hanafaka ny marina Izy
Tsy mitazam-potsiny ilay Andriamanitra izay mizaha toetra ny marina , fa mamonjy sy manafaka azy ireo rehefa voasedra ny finoany .Ny fanafahan’Andriamanitra ny olo-marina miorina amin’ny finoana dia tonga sazy sy famaizana tsy azo ialana ary tsy misy fanafany ho an’ny ratsy fanahy mampahory .Koa dia mahareta ,ary velomy ny fanantenana fa hahafaka anao tokoa Andriamanitra .
Fanontaniana :
Inona no mahatonga ny olona tsy handray ny fdanafahan’Andriamanitra azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM