Miverina amin’i Jehovah mba tsy ho ringana

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Martsa 2020

HOSEA 7.10-16

HOSEA 7.10-16
10 Ary ny avonavon*'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany] 11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria. 12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany. 13 Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy. 14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko. 15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy, 16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.

Miverina amin’i Jehovah mba tsy ho ringana

Eto amin’izao perikopa izao dia ambaran’ity and 12 fa hanafay ny Tompo . Faminaniana sy fampitandremana ny fanjakana tao avaratra izao mba tsy hiala amin’ny Tompo na dia eo aza izay mikasa hidiatra handrava ny fanjakana.

1-Ny mpiavonavona (and10)

Ambaran’i Hosea fa miavonavona ny Israely eto . Io avonavona io anefa dia mitondra azy ho aminn’y fialana amin’ny Tompo ary ambara mihitsy fa tsy mitady an’ Andriamanitra mihitsy izy ireo. Tonga mahafoy an’ Andriamanitra ny mpiavonavona araka izao . Ary izay rehetra mahafoy ny Tompo dia hahazo famaizana avokoa .Araka izao , ry havana , aza mba manana fo miavonavona sao ho tafala amin’ny Tompo ka hanadino Azy. Fa faizina avokoa izay manadino Azy . Tsy mba ho toy izany anie isika.

2-Ny mpiantehitra amin’ny hery hafa (and11)

Ambara eto fa eo anatrehan’ny fahavalo dia lasa nitady vonjy , lasa nitady fiaraha-miasa tany Egypta sy tany Syria ny fanjakana tao Avaratra . Adaladala no hiantsoan’ny Tompo azy noho izany , adaladala satria lasa nitady vonjy tany amin’izay tsy ho afaka hamonjy akory .Ny fitadiavana fiaraha-miasa sy vonjy any amin’ny hery hafa dia endriky ny fialana amin’ny Tompo .Faizin’ny Tompo koa araka izany izay rehetra tsy miantehitra Aminy, indrindra amin’ny fotoan-tsarotra .Na inona na inona endriky ny fahasahiranana sy fahoriana , eny loza mety mananontanona antsika , aoka tsy hiala amin’ny Tompo.Aoka ho feno fahatokiana ny Tompo mandrakariva isika . Ny olana hisy mandrakariva , ny fahavalo mitady izay handavoana antsika mandrakariva , fa isika tsy mahazo miantehitra sy mitady vonjy hafa ivelan’ny Tompo .

Fanontaniana:

Ny olona toy inona tokoa moa no faizin’ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM