Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra
Mofonaina anio: Talata, faha 10 Martsa 2020
Miverina amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra
Ambaran’ny mpanoratra fa ela loatra ny fiaran’i Jehovah no tsy teo amin’ zanak’ Israely.Rehefa hitan’i Samoela ny alahelony dia notaominy hibebaka ny zanak’Israely.
1-Mibebaka amin’ny fo rehetra

Asain’i Samoela mibebaka amin’ny fo rehetra ny zanak’Israely eto. Izany hoe:tsy mamela ny fon’izy ireo hitoeran-javatra hafa ankoatra an’ Andriamanitra . Mamerina ny fitiavana an’Andriamanitra irery ihany ao am-po izany . Ka tsy misy andriamaninkafa omena toerana ao. Ny fibebahana amin’ny fo rehetra dia tena famerenana ny fon’ny zanak’Israely ho fitoerana hanjakan’Andriamanitra irery ihany . Raha ny marina tokoa mantsy , tsy manaiky hiara-mitoetra amin’ny andriamani-tsy izy ao am-pon’ny vahoakany ny Tompo . Na izy manjaka tokana ao , na Izy tsy ao .Izany rahateo no tiany ambara raha niteny Izy hoe : « Anaka , atolory Ahy ny fonao » Oha 23.26
2-Manompo amin’ny fo rehetra
Ny fo tokoa rehefa lasan’ny Tompo dia tsy vitan’ny hoe : itoerany sy hanjakany fotsiny . Izay manome ny fony ho an’ny Tompo dia manompo ny Tompo . Ny fo mantsy no toeran’ny fitiavana .Koa izay tia an’ Andriamanitra dia manompo Azy . Rehefa nanontany an’i Petera Jesoa ny amin’ny fitiavany Azy , isaky ny namaly Petera fa tia an’i Jesoa dia nasain’i Jesoa naneho izany fitiavana izany amin’ny asa fanompoana . »fahano ary …andraso ary ny ondriko » Jao 21.15-18 . Ny fitiavana amin’ny fo rehetra dia mahatonga fanompoana amin’ny fo rehetra ihany koa. Miteraka andrakitra sy adidy mandrakariva ny tena fitiavana marina an’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Raha tiana ny Tompo , inona no tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM